MAHERY NY FITIAVANA !

Nampidirin'i dadarabe | 28 Okt, 2007

Mahery ny fitiavana…
 

…Mahavita mianika ny tendrombohitra avo,
Tsy ketraka, tsy lavo…
Miriotra hery hatrany, manohy tsy resin-kivy,
Mifofotra, mikiry !
Ilay tiana ihany !
Ilay tiana hatrany !

…Roso an-karavoana, hoby an-kafaliana,
Henim-paniriana,

Bitaka, entanentana fa rehitra anaty,

Reda tsy ho faty !
Salanitra miaina,
Salanitra misaina. 

…Tsy misy mahasakana fa fo mikiribiby
Sy tokana safidy.
Eny, hatramin’ny rariny ahiliny avokoa,
Ilay tiana ihany aloha !
Mahay fahadalana !
Mahay fahagagana ! 

…Ny mandrakizay no fetra ilalaovany
Sy dina nifanaovany.
Sahy misedra afo, varatra sy ady,
Tsy mampihemotra azy…
Hatramin’ny fahaverezana !
Hatramin’ny fahafatesana ! 

…Mahery ny fitiavana ! 

DadaRabe
St Pierre et Miquelon
28/10/07    11:41