ATAOKO TOY NY HOE…

Nampidirin'i dadarabe | 22 Jol, 2007

Ataoko toy ny lasa ny ora niarahantsika,
Ataoko toy ny zahatra nidify teny am-pita,
Ataoko toy ny fefy tsy azo intsony hihoarana,
Ataoko toy ny lalana nanjary toa fiakarana. 

Ataoko toy ny taona tsy hiverina intsony,
Ataoko toy ny hazo nitsahatra namony,
Ataoko toy ny rano niraraka an-tany,
Ataoko toy ny vorona nisidin’any ho any. 

Ataoko toy ny lamba nitriatra sy efa tola,
Ataoko toy ny hanina ‘zay efa bobongolo,
Ataoko toy ny vato nisaraka ts’hitohy,
Ataoko toy ny very, tsy hita sy nafoy.
 
Ataoko toy ny hoe tsy hisy intsony ny andro,
Ataoko toy ny haizina fa lavitra masoandro,
Ataoko toy ny lasa kanefa anatiko any…
Ataoko toy ny hoe… kanefa anie ts’izany! 

DadaRabe
Marseille
04/01/02