VERY TANY ANKOATRA TANY !

Nampidirin'i dadarabe | 28 Jol, 2007


Ny masonao nijery ahy
No nandrehitra ny foko ho afobe mijoalajoala,
Nientanentana fanahy
Toy ny vanton-jaza iny aho, angamba tena lasa adala ! 

Ny feonao mandangolango,
Nampangotraka ny rako, hihazakazaka aok’izany,
Zary toy ny rapa-dango
Ny fiteliko ireo teny atosakao...mihamamy hatrany ! 

Ny endrikao misaridriaka
No masoandro manazava ny ao anatiko tontolo,
Toy ny vola-manjopiaka,
Ka ny fiainako rehetra toa voataratrao daholo. 

“Tiako ianao”, hoy ianao,
Teo no naharendrika ahy...very tany ankoatra tany,
Asidim-pifaliana aho...
K’angamba hijanon’eny ambony, tsy hiverina eto an-tany ! 

DadaRabe
La Charité sur Loire
06/05/06      12:37