Hevitra mandalo sabotsy 28/07/07 : PLANNING FAMILIAL

Nampidirin'i dadarabe | 28 Jol, 2007

Matetika ny famerana ny isan-jaza no dradraina ao Madagasikara. Firenena matanjaka moa no mamporisika hanao ireny. Ny ministera aza moa dia ministeran'ny planning familial sy ny fahasalamana.

Mahagaga anefa, 17 tapitrisa ihany ny isan'ny malagasy ary midadasika i Madagasikara. Ny firenena matanjaka sy manonga haingana ny harin-karena faobe dia ireo firenena maro olona.

Any Asia: Japana, Chine, Inde
Eoropa: Allemagne, Frantsa, Angleterre.
USA

Raha betsaka ny mponina dia betsaka ny mpanjifa. Manintona ny mpanam-bola satria misy lalam-barotra anatiny ary tsy voatery ny varotra aondrana ihany.

Raha tsy mitombo ny mponina malagasy dia inona no hitranga ? 

"Na ho ela na ho haingana dia tsy ny malagasy intsony no ho maro an'isa eto".

Ahoana ny hevitrao ? Eritrereto hoe !

Mazotoa é !

St Pierre, sabotsy faha 28 jolay 2007

DadaRabe