Hevitra mandalo sabotsy 21/07/07

Nampidirin'i dadarabe | 21 Jol, 2007

St Pierre, sabotsy faha 21 jolay 2007.

Miarahaba antsika mandalo eto,

Manoratra eto aho izao sabotsy tolakandro izao. Fa maninona ? fa nahoana hoy ianao ?

Tsy dia misy inona fa mba te hanoratra fotsiny aho.

Eto St Pierre et Miquelon aho ankehitriny ary somary mangingina ny tanàna androany. Tsy miasa moa androany (nefa miasa ihany aho satria astreinte). Inona no ataoko eto hoy ianao ?

Mitana ny service de psychiatrie eto aho. Manao ahoana ny asa ? Ny consultation no tena betsaka. Dia misy koa ny marary hospitalisés. Dia mijery ireo marary ny amin'ny toerana samihafa koa (maison de retraite, maison d'arrêt, sns.). Mahafinaritra ny asa. Mahafinaritra ny miasa. Miezaka manampy izay tsy salama. Loharanom-piainana ny fahasalamana. Ny saina, ny vatana, ny fanahy.

Tsy misy mamboly vary eto saingy misy vary azo vidiana. Tsy misy izany ny olana ! Io no fanontaniana voalohany nanontaniako talohan'ny nanapahako hevitra hoe ho avy eto. Misy vary ve any ? Eny hoy ilay talen'ny hopitaly. Afaka mankany aho hoy aho.

Efa niasa tamin'ny toerana maro aho saingy tantara hafa indray izany.

Rahampitso  ! Misy fotoana efa nandrasako elaela izay. Fiainana daholo izany !

Dia inona koa no ho lazaiko ?

Izay ihany angamba aloha androany fa mbola handeha aho io.

DadaRabe