…EFA FANTATRAO

Nampidirin'i dadarabe | 21 Jol, 2007
 
 …Efa fantatrao, f’ianao no antom-piainako
Mamin’ny fisainako,
K’izay rehetra ahy dia efa nomeko anao
Foiko tsotr’izao,
Satria hatram’izao dia tsy hisy intsony
Na dia kely akory,
Ny afaka hisompatra ‘ty foko efa tia…
Mitempo anao doria. 

Efa tsapanao, am-ponao tena lalina,
Tsy sarotra fantarina,
Fa ny sisa androko, tombony ho ahy
Dia ts’isy ahiahy,
Fa ef’eny aminao no hany fiantefany
Sy hany mba lalàny,
K’izay rehetra lasa sy mbola ho avy koa
Dia efa anao tokoa. 

Efa hitanao, fa tsy mba nisy fitaka
Na hevitra saritaka,
Fa ten’efa mazava ankehitriny ireny
Toky sy ny teny,
Ka indro ny ampitso dia efa tena antsika,
Tsy misy intsony hipiaka;
Manaiky aho fa ianao no izao tontolo izao,

…Efa fantatrao!

 

 DadaRabe

Marseille (03/03/02)

Nalaina toa amin'ny boky "Dia nisy ny mazava"