ROAPOLO TAONA LASA…

Nampidirin'i dadarabe | 12 Aog, 2007

Roapolo taona lasa…mpianatra izahay,
Tanora maitsovolo ;
Vonona hisedra ny ady mahamay,
Nentin’ny tontolo ;
Natanjaka ny saina,
Fa andro vao maraina
Tsy nisy tahotahotra fa vonona hatrany,
Hanenjana ny sandry na tsiky na tomany. 

Roapolo taona lasa…hafa ny fijery
Izao tontolo izao ;
Masiaka dia masiaka, mihantsy, feno hery,
Matoky izay atao ;
Tsy misalasala,
Sahy mamaky vala,
Ny maso midorehitra, mijery tsy mikimpy,
Ny saina tena hentitra tsy misy tsitsitsitsy. 

Roapolo taona lasa…nilaozana Ikaky,
Nilaozana i neny,
Hiatrika ny fiainana ary hamakivaky
Ny rano be mangeny…
Nekena an-tsitrapo,
Toa vato koa ny fo,
Irery hatreo ny tena tsy misy hitarainana,
Tsy maintsy hiaretana na misy fanaintainana. 

Roapolo taona lasa…ela mantsy izany !
Eto aho mamelovelo,
Mahatsiaro very dia…mitodika ny omaly,
Injany mihelohelo !
Tsy niova ny ao an-doha,
Tsy niova koa ny fo,
Fa ny manodidina no efa niova volo…
‘Reo havana efa lasana tsy hita ho voasolo ! 

Roapolo taona lasa… 

DadaRabe
St Pierre et Miquelon
10/08/07   17 :20