MIASA ! MIASA IHANY !

Nampidirin'i dadarabe | 11 Aog, 2007


Raha tianao handroso i Madagasikara,
Raha tianao hiova ho lasa tena tsara,
Raha tianao handositra ny voina sy mosary,
Raha tianao hamokatra ireny tanimbary....

Miasa, miasa ihany !

Tsy ny nofinofy manidina eny ambony,
Tsy ny kabary lava izay tanisaina akory,
Tsy ny volabe dongiana amim-bazaha,
Tsy ny anganongano mampientana fanahy...

Fa ny asa, ny asa ihany !

I Eoropa, i Zamerika matoa mandroso be,
Tsy adino i Japana mibaby rehareha,
Matoa izy ireny matanjaka sy ngeza,
Tsy noho ny polifika na koa ny ady seza...

Fa niasa, niasa hatrany !

Ka hafatro aminao ry zoky sy ry zandry,
Aoka isika hilofo hiasa fa tsy hiandry,
Aleo drodroka miasa toy izay hoe maty noana,
Ny valin-katsembohana tsy maintsy ho avy foana...

'Ndao hiasa, izay ihany !

DadaRabe
Aix-en-Provence, 28/05/04 14:17