FONY LASA IANAO…

Nampidirin'i dadarabe | 10 Aog, 2007

Tsy ho lazaiko anao, ireny adim-piainako
S’ireny fanantainako,
Fony lasa ianao… 

Ny mafy izay natrehiko, ny orako manjombona
Ny saiko tsy nahatombona,
Fony lasa ianao… 

Ireny horohoro, nangeja ny fanahiko
Ireny ahiahiko,
Fony lasa ianao… 

Tsy nisy nahalala, ireny ranomaso
Koriana ts’isy andraso,
Fony lasa ianao… 

Izaho ninia niharina, avy ao an-konahona

Fa tratr’ireny voina,

Fony lasa ianao… 

Ankehitriny kosa, mahatsiaro aho ka tanisa
Ny ngidy ts’hita isa,
Fony lasa ianao… 

DadaRabe
Raleigh (USA)
27/03/01  13:25