FENO ANAO !

Nampidirin'i dadarabe | 14 Aog, 2007

Tazaniko ny hariva sy fara-vodilanitra,
Ny voninkazo manitra…
Ianao no tsinjoko eny! 

Henoiko ireny vorona misioka tsy miato,
Mivazo tena kanto…
Ianao no henoko eo ! 

Izay rehetra misy, miserana anoloako
Dia lasa feno loko…
Miloko ny endrikao ! 

Tsy misy intsony izaho fa efa ianao
No miaina anatiko ao…
Feno anao ny fiainako ! 

DadaRabe

Aix-en-Provence

25/12/03   22:27