ZAVA-POANA...

Nampidirin'i dadarabe | 2 Jol, 2009

 

"Zava-poana dia zava-poana, hoy ny mpitoriteny, eny, zava-poana ny rehetra !" (Mpitoriteny 12:8)



Indraindray ny fahanginana...
Manjary misy feo
Anaty toa tsy heno,
Nefa toa milaza
Anaty saina lalina,
Anaty fo fanahy,
Fa velona efa ela,
Hatram’fahagola
Ilay feo, eritreritra...
Mandalo ao tsy hita,
Sarotra takarina,
Kanefa dia manjaka
Amin’ny fiainanao.
Mitondra hery miafina,
Mitondra fifaliana,
Mitondra alahelo,
Toy ireny rano
Koriana an-tendrombohitra,
Tsy misy mahatohitra,
Firiavan’ireo vorona,
Firiavan’ireo biby,
Firiavan’ireo trondro,
Mamelona ny voahary.
Anaty fahanginana
Misy feo milaza :
Mandalo ny fotoana,
Mandalo ny rehetra,
Mandalo ny fiainana,
Mandalo avokoa...
Ary zava-poana
Izao rehetra izao,
Zava-poana koa
Izay rehetra vita
S’izay mbola kinasa,
Ny ora fahanginana
Dia zava-poana koa.

DadaRabe
La Charité
19/05/05  17:26