TENY MALAGASY !
Nampidirin'i dadarabe | 15 Jol, 2007Teny malagasy !
Nianarako niteny,
Nikiazako an’i neny,
Fony aho nibadabada,
Niangaliako hoe «dada».
Nahaizako nivavaka,
Niderako Azy niavaka,
Na faly aho na narary,
Niantsoako Zanahary.
Nahafahako nikajy,
Nahazoako mokonazy,
Nividianako sambôsa,
Nindramako kabôsa.
Nipololotra am-bavako,
Nilaza ilay fitiavako,
Nifamaliako koa,
Nataoko mokon-doha.
Vazoin’ny tanànako,
Hirain’ireo akamako,
Vazaiko tsy an-kimalo,
Hireveko tononkalo !
Teny malagasy !
DadaRabe
Marseille
01/07/02 19 :40