IANAO ANGAMBA…
Nampidirin'i dadarabe | 17 Jol, 2007Ny masonao angamba…
alaiko an'eritreritra,
dia habakaba-manga,
mazava, ts'isy herika.Ny tsikinao... inoako
fa toy ny volan-tsinana,
marevaka tsy miofo,
sariaka sady mirana.
Ny endrikao...mino aho
fa tara-pahazavana,
k'izao tontolo izao
tolorany hafanana.
Ireny molotrao,
Tantely... tena mamy,
toa voninkazo vao
ka manitr'aok'izany.
Fa ny ao am-ponao ao,
tsy haiko mba fantarina,
'reo nofinofinao....
Mba satriko takarina.
DadaRabe
Marseille
12/06/01 18:58