TARAFIKO

Nampidirin'i dadarabe | 19 Jol, 2007

Tarafiko ao anatin’ny masonao mijery...
Ny ora fahasambarako,
Tavaniko eo anivon’ny feonao miteny...
Ny andro fahafahako. 

Tsihifiko eny imolotrao manonona ny anarako ...
Ny loharano tiako,
Tsinjoviko amin’ny tsikinao manarona ny tavako...
Ny rotsy fatoriako. 

Tadiaviko eny an-tratranao midoboka amponga...
Ny ngadona ao anatiko,
Ny hafanana avy aminao andrasako ho tonga...
No ainga am-panahiko.

Ianao irery no aiko

Sy hany mba lalaiko.

DadaRabe

La Charité

04/05/05   14:50