RAHA FANTATRAO RY NENY…

Nampidirin'i dadarabe | 14 Jol, 2007

Raha fantatrao ry neny, ny ady izay atrehiko
Aty an-tany lavitra, ny mafy tsy voafehiko ;
‘Reo olana mitranga sedraiko isan’andro,
Ny vatako efa trotraka raha mody ny masoandro. 

Raha hitanao ny dinitra mirotsaka ny tavako,
Ireny manaintaina manenika ny vatako,
Nataoko toa tsy nisy, niaretako mazàna,
F’izany no safidiko… ny lalana malama. 

Tsy mba fantatrao … ireny alahelo,
Rehef’izaho mahatsiaro sy mba mamelovelo
Ny tranokelintsika…fahiny mantsy izany!
Kanefa anie dia ferako ny foko ts’hitomany. 

Fa toy ny vao omaly ‘reo teny nomenao
An-taona maro izay, fony izaho handao,
Hisidin’any lavitra, hikaroka ny soa,
Mbol’ato am-poko ato, tadidiko avokoa. 

Fa saingy horovitiko ity taratasy ity,
Ts’izany no andrasanao avy amiko aty,
F’handeha hanoratr’aho: “mazava ny marainako”
“Sambatr’aho ry neny… milamina ny fiainako!” 

DadaRabe
Marseille
06/05/01 11:00