IZY ANGAMBA ANY…

Nampidirin'i dadarabe | 14 Jol, 2007


Izy angamba any mitazan’iny lanitra
Tsy mety fa miharitra,
Mibanjina tsy miato iny volan’iny
Na sendran’hirifiry…
Na alina mangina na koa somambisamby…
Manofy tsy ho lany ! 

Izy angamba any ! am-baravaran-kely,
Tsy sasatra mijery
Ny rahona misosa sy vorona mandalo,
Angamba koa mikalo
Ka  revo mitanisa ireo androm-boninkazo
Ataony vazovazo. 

Izy angamba any, mamoaka ny diary
Ary koa ireo sary
Mirakitra ny andro sy volana tantely,
Angamba manirery !
Kanefa tsy miteny fa miezaka mitsiky
Ireo molony manify. 

Izy angamba any, mba manontany koa,
Mametsovetso am-po
Hoe moa izaho aty mandefa nofy ho azy !
Fa hoe tsy mbola maty 
Ny afon’ny fitia niarahanay namindro
Tan’ala mikirindro. 

Izy angamba any… iza no mahalala ?
Efa nandao ny ala ?
Ka any an-kafa indray no efa miatsampy
Ka ampoka sy ampy
Sy efa nanadino ilay zahatra nitriatra…
Niarahanay niampita ! 

Izy angamba any… 

DadaRabe

Aix-en-Provence

10/12/02 13 :00