RIVO-PANDRAVA

Nampidirin'i dadarabe | 25 Feb, 2009




Raha ny fandrobana sy ny fandravana,
Mitondra dinamita, manapaka tetezana,
No lasa  ho filamatra, hitondra ny tanàna
Dia tena kivy aho fa sarim-pahaverezana,
Tantara efa naloa,
Nariana tany aloha
Kanefa dia izany
No hitantsika androany.

Raha ny fandoroana sy ny fahamamoana,
Midoroka rongony, mitondra antsy lava,
Raha toa ka izany no mbola itompoana…
Asa hanao ahoana ? Ny ampitso ve hazava ?
Fa haizina no hita
Sy koa lalovantsika,
Tarazon’ny fahiny
No hita ankehitriny.

Raha toa ka izany no lasa fomba fiaina,
Raha toa ka izany no apetraka ho tantara,
Raha toa ka izany no hameno ny toe-tsaina,
Raha toa ka izany no ataontsika anjara,
Ahoana re ny ho avy ?
Fa tena mampanavy
Mahangoly koa ny tava
Ilay…Rivo-pandrava !

DadaRabe