TAMBOLIN’NY FOTOANA

Nampidirin'i dadarabe | 16 Jan, 2009




Misy indraindray…vaka ny aty saina,
Hila tsy ho avy miana !
Fa entin’ny eritreritra manidina ambony,
Manjary tsy mitony…
Misankodinkodina ny omaly sy ny androany
Ary koa ny ampitso…dia mifangaro izany !

Moa ny fotoana no tena mihazakazaka ?
Sa tsy haiko ny manavaka
Ny lasa efa ela sy ny andro vao omaly ?
Fa hitako toa sary
Voarakitra hiray, mitambatra daholo…
Sary hoso-doko… iray…mitovy volo !

Ny saiko ve no jenjin’ny tambolin’ny fotoana ?
Asa re nahoana ?
Sa kosa velovelo mifongatra tsy nahy
Manaitra ny fanahy ?
Ka korontandrontana no sisa hitako eto
Korontan’ny fanahy arahin-tsentosento !

DadaRabe
14/12/08