AMORON-DRANOMASINA

Nampidirin'i dadarabe | 2 Nov, 2008

Miarahaba,

Manao veloma vetivety aloha fa hisinda any amoron-dranomasina any ny tenanay. Ity misy tononkalo fahiny teny Ramena. 20km avy eo Antsiranana. Tora-pasika mahafinaritra tokoa. Mitahiry fahatsiarovana be dia be. Ny fahazazana, ny fahatanorana...
Raha manam-potoana aho dia ho any. Ho tantaraiko anareo !
Ity misy tononkalo fahatsiarovana, nosoratana 18 taona lasa izay ! Mandeha ny fotoana rey olona !


 


AMORON-DRANOMASINA

Ny fitopatopanao ry onjan-dranomassina,
Ny rivotr’entinao mamelombelon’aina,
Mihiratra ery ny masoko mibanjina
Ireo karazam-borona mihaza vao maraina.

He ! izato lanitra manga aok’izany !
Mampidera tsiky ‘lay masoandro mibaliaka,
Izany foko izany finaritra sy faly,
Mahita ireny tarany mazava manjopiaka.

Ireto tora-pasika botsiaka sady fotsy,
Ny fidoboky ny onja no injao mandrotsirotsy,
‘Ty foko izay sondriana mandefa ny vinany.

Hadinoko avokoa ‘reo adiko isan’andro,
Ireny sorisory maraina, hariva, atoandro…
Hafa ihany lahy ny ety amorondrano !

DadaRabe
Ramena (Antsiranana)
5/12/90