Warning: Declaration of CachedTemplate::fetch($cacheId) should be compatible with Template::fetch($resource_name = NULL, $cache_id = NULL, $compile_id = NULL, $display = false) in /home/blaogycom/public_html/class/template/cachedtemplate.class.php on line 41

Warning: Declaration of CachedTemplate::display($cacheId) should be compatible with Template::display($resource_name, $cache_id = NULL, $compile_id = NULL) in /home/blaogycom/public_html/class/template/cachedtemplate.class.php on line 75
DadaRabe " Tsy amidy ny fanahy" | Ny momba ny jenetikan’ny mponina ao Madagasikara :

Ny momba ny jenetikan’ny mponina ao Madagasikara :

Nampidirin'i dadarabe | 27 Feb, 2008

Ny antsasaky ny “lignées génétiques” n’ny mponina ao Madagasikara dia avy amin’ny olona tany Bornéo, izay mielanelana 7000km amin’i Madagasikara. Ny antsasany kosa dia avy any amin’ny mponina avy any Afrika atsinanana.

Ny nosy Madagasikara dia 400km mielanelana amin’i Afrika. Misy valim-pikarohana vaovao nivoaka tamin’ny “American Journal of Human Genetics”, nampiseho fa misy mampiavaka manokana ny mponin’I Madagasikara.

Vao voalohany izao no nahafahana namaritra mazava tsara ny fototry ny “lignées génétiques” n’ny mponina Malagasy, sy ny toerana tokony ho niaviany, ary azo heverina ho manakaiky ny marina hoy ny Dr Matthews Hurles ao amin’ny Wellcome Trust Sanger Institute.

Ireo mponina ireo dia fifangaroana 50/50 ny vondrom-pirazanana anankiroa. Tsara ny manambara fa ireo taranaka ireo dia nifangaro nandritra ny taonjato maro hatramin’ny fiatombohan’ny fisian’ny olona teo amin’io nosy io hoy izy. Ireo marika arkeolojika dia maneho fa vao haingana ny fisian’ny mponina tao amin’ny nosy : eo amin’ny 1500 taona.


Mba ahatomombana ny fikarohana nataony, ireo mpikaroka ao amin’ny Oniversite n’i Cambridge, Oxford ary Leicester, dia nampiasa mpanamarika ny DNA karazany roa : Ny Chromosomes Y, entin’ny lehilahy ihany, ary ny DNA mitochondrial, izay lovain’ny vehivavy ihany. Noho izany ary dia  nampitaha ny fitoviana ara-jenetika tamin’ny Malagasy sy ireo mponina isan-karazany amin’ny ranomasim-be Indiana ry zareo. Ireo karazana Chromosome Y tsy avy any afrika hita tamin’ireo Malagasy dia mifanakaiky indrindra amin’ny an’ireo karazana ananan’ny olona any Bornéo (raha oharina amin’ny mponina hafa rehetra). Hita koa tamin’ny alalan’ny DNA mitochondrial fa ny ivon-toerana niaviany dia avy amin’ireo nosy any Asia atsimo atsinanana ary koa avy any afrika atsimon’i Sahara hoy ny Dr Peter Foster ao amin’ny Institut McDonald (ivom-pikarohana momba ny arkeolojika ao amin’ny Oniversite n’i Cambridge).

Efa fantatra rahateo fa ny teny malagasy dia misy ifandraisany amin’ny teny indoneziana. Ny teny tena mifanakaiky aminy indrindra dia ny teny “Maanyan” ampiasaina ao atsimon’i Bornéo hoy i Hurles. Mifandraika izany ilay fikarohana jenetika sy ilay tolokevitra lingistika. Ankoatr’izay, ny firafitry ny mponin’i Madagasikara dia mampiseho endrika mahaliana eo amin’ny tantaran’ny olombelona, raha eo amin’ny fifindra-monina sy ny fifangaroan’ny mponina no jerena. Ary koa vavolombelon’ny fahaizana mahatalanjona nananan’ireo mponina taloha amin’ny fifindra-monina lavitra dia lavitra mamakivaky ranomasim-be.

Ny fifindrana goavana izay niainga avy tany Asia atsimo atsinanana tany amin’ny 2000 taona ka hatramin’ny 1500 taona tany aloha miohatra amin’ny ankehitriny, araka ny vokatr’ireo fikarohana, dia maneho an-tsary koa ny fisian’ny fifindra-monina niainga tamin’io toerana io mankany Pasifika, Mikronezia ary I Polinezia 1000 taona lasa izay. 

May 2005

(Mpandika Dr P.Rabe)



Jereo : http://www.sanger.ac.uk/Info/Press/2005/050504.shtml