MILA FITIAVANA (eritreritra momba an’i Madagasikara)

Nampidirin'i dadarabe | 19 Feb, 2008


    Miarahaba,

    Tsy ho lava resaka aho fa ny eritreritra manitikitika ny saiko no ambarako. Matetika aho rehefa miresaka aminareo namana, na mifanatrika , na an-telefaonina, na amin’ny internety ka miady hevitra momba ity Madagasikarantsika ity, dia maro ny lohahevitra tonga ao an-tsaiko. Ny tiako ho asongadina manokana satria izay no hitako lehibe indrindra dia ity ambarako manaraka ity.

    « Na inona na inona ataontsika, na inona na inona tanjona heverintsika ho an’i Madagasikara, raha tsy misy ny FITIAVANA NY TANINDRAZANTSIKA dia zava-poana, eny, zava-poana ihany izany ».

    Raha ny mpitondra, ny mpanohitra, ny vahoaka no miasa noho ny fitiavana tanindrazana fa tsy noho ny fitiavan-tena dia izay no fiandohan’ny fandrosoana.

    MILA FITIAVANA  na ny resaka, na ny ady hevitra, na ny asa, na ny ezaka sy izay rehetra ataontsika ho an’ny tanindrazantsika. Vetivety foana dia ho very ilay tanjona raha toa ka miala ao am-pontsika ilay fitiavana.

    …Dia ilay fitiavana mirehitra ao anatintsika lalina toy ny afo sy fanilo manazava ny lalantsika ;
    …Dia ilay fitiavana mampidoboka ny fontsika ka mahatonga antsika hiroso am-piravoana ho amin’ny asan-tanindrazana ;
    …Dia ilay fitiavana mandresy ny fitiavan-tena ka hahafahantsika mahafoy ny fiainantsika, eny hatramin’ny aintsika aza raha ilaina ho an’i Madagasikara.

    Tsy hifanerena ny fitiavana fa vokatry ny fo !

    « Trafo-kena ome-mahery, am-bava homana, am-po mieritra ! ».

    DadaRabe
    19/02/08