ATOLOTRO HO ANAO

Nampidirin'i dadarabe | 14 Feb, 2008

Raha toa aza tsy nisy
Ny teny hoe “fitia”
Dia noforoniko,
Izany ho anao.

Raha sendra ka indrisy !
Mangidy akia ny etỳ !
Dia mamy no angoniko,
Atolotro ho anao.

Raha onja be masiaka
Sy alon-drano mafy,
Dia lakana hitàna
No asosako ho anao.

Raha sendra ka hatsiaka
Sy oram-be mifafy,
Ny foko izay mafana
No hampiantrano anao.

Izany no mba haiko,
Izany anie no aiko,
Ka dia lazaiko anao,
Satria...tiako ianao !

DadaRabe
Aix-en-Provence
18/09/03 18:55