VILAM-BAVA !

Nampidirin'i dadarabe | 14 Mar, 2009




‘Ndeha hitady rariny sy koa mangarahara !
Inona no lalana ? Mangalatra pouvoir !
‘Ndeha isika hanohitra ny didin’olon-tokana !
Inona no lalana ? Mandroba sy mitokona !

‘Ndeha hitondra marina ny tena fahafahana !
Inona no atao ? Asivo fangalarana !
‘Ndeha isika hilaza ny marina an-gazety !
Inona no atao ? Darohy ireo izay tsy mety !

‘Ndeha hahindrahindra ilay demôsy kirasia !
Ahoana no atao ? Poteho ‘reo ‘zay tsy tia !
‘Ndeha mba hampandroso ny tanindrazantsika
Ahoana no atao ? Vonoy izay tsara bika !

Hoy ho hoe :

‘Ndeha manova fenitra fa tena vilam-bava !
Fa mila fifidianana vao miakatra pouvoir !

DadaRabe
12/02/09