RY VOLANA !

Nampidirin'i dadarabe | 1 Mar, 2011

Ry volana mirehitra,
Mamiratra aok'izany !
Mazava sy manjelatra,
Mampiakatra vinany.

Rivo-dranomasina
Mitsoka miantsinanana,
Mifono zava-miafina
Sy nofinofy lalina !

Fa any lavitra any
'Reo havana sy namana,
Izaho an-tsesitany
Noho ny tsy fananana.

Ry volana baliaka
Na irery aza aho aty,
Mahita anao sariaka
Dia ravo...mankafy !

DadaRabe
16/02/11 21h30

 

Ô RY ZENEVIEVY !

Nampidirin'i dadarabe | 11 Feb, 2011


Oay ! Mijery ny endrikao aho dia lasa revirevy,
Ô ry Zenevievy !
Sy ireo takolakao bolangina aok’izany
Ka te hanongo hatrany !
Ireto masonao manganohano soa,
Manintona tokoa !

‘Ndeha ho aiza ity ianao no maika tahak’izao ?
Sa mbola hilalao ?
Tsy aleo mitodi-doha ? Mamonjy ny ao an-trano ?
Fa ndrao mahita angano !
Fa tato ho ato anie, korontana ny tany,
Jiolahy no betsaka any !

Oadray re Zenevievy ! Aza dia mafy loha !
Sy manamafy fo !
Ny ray aman-dreninao efa hila ho lasa adala !
Ianao tsy te hahalala !
Fa dia midola ihany, manaram-po miliba
Sy tia manivaiva !

Mitazana anao eto aho ry Zenevievy !
Dia tapaka ny revy !
Fa te hiteny be, manahy ny ho avinao !
Variana loatra ianao !
Ka indro aho very dia sy toa mitebiteby !
Miovà ry Zenevievy !

DadaRabe


RAHA MBA IZAHO HONO !

Nampidirin'i dadarabe | 8 Feb, 2011

 

Raha mba izaho hono no ho lasa voronkely,
Hisioka fifaliana,
Hihira sy sondriana,
Hikalo ho anao…am-baravarankely,
Rehefa marain’andro !
Miposaka masoandro !

Raha mba izaho hono no ho lasa voninkazo,
Otazanao an-kanto,
Orohanao milanto,
Voakarakaranao, koloinao tsy halazo,
Ho lasa kilalao…
An-doha fandriananao ! 

Raha mba izaho hono no ho lasa nofinofy
Anatin’ny fonao,
Toa aina vaovao,
Ho entinao mandresy ireny rofirofy,
Hanjary tsy handao…
Sy ho lasa fiainanao !

Raha mba izaho hono…

DadaRabe



TRATRY NY TAONA !

Nampidirin'i dadarabe | 1 Jan, 2011

 

Ny irariako ho anao
Dia taona vaovao…
D’ilay nandrasanao
Ho amin’ny fiainanao !

Ho taona fiovàna !
Ho taona fihatsàrana !
Ho feno fifaliana !
Ho tojo izay iriana !

Hidera ilay Mpahary !
Hikalo ny voahary !
Hiventy ny hosana !
Hihira fiderana !

Ho fahasalamana !
Ho tsiky sy hafanana !
Ho ambinina harena !
Hahazo izay kendrena !

Hitsinjo ireo mahantra !
Hizara ary hihantra !
Hamita asa soa !
Hitondra mamy koa !

Ny faniriko ho anao
Dia taona vaovao….
Ho tena fahasambarana !
Ho Taonan’ny « Fitiavana » !

DadaRabe
01/01/11        0 :01

ZOKIBE RAOUL !

Nampidirin'i dadarabe | 4 Sep, 2010

Lasa ianao r’ingahy Raoul…
…Nandao ny fokonolona
Ary ‘ndeha hitety indray,
Ilay habakabaka milay !

Nefa hotsarovana eto,
Ny hira manja tsy an-kisento :
Toy ilay « somambisamby »
Hirahiram-pianakavy !
 (tohiny)

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 ... 26 27 28  Manaraka»