RATSIMANDRAVA

Nampidirin'i dadarabe | 11 Feb, 2013

RATSIMANDRAVA

« Nandroso ny môtô,
Nihemotra i 4L
Nitifitra i Zimbô
Ka maty Ra-Colonel ».

Mbola kely izahay tam’izany,
Tsy nahalala ny eto an-tany,
Fa mihaino ireo olobe,
Nilaza sy nampandre :

Fa nisy hono lehilahy,
Niroso tsy niahiahy ,
Minisitry ny ala-olana,
Nikaroka vaha-olana.

Handrava mpanjana-tany,
Tsy hanaiky intsony izany,
Ka dia ny fokonolona
No fototra mba ho tolona.

Izy tsy niamboho adidy,
Fa roso ary nisafidy,
Ny lalana tena sarotra,
Tsy azo niadiana varotra.

Tsy zakan’ireo mpanjanaka,
Hoe izy hanasoa taranaka,
Fa ho azy ireo ny harena,
Dia azy ka tsy azo ekena !

Nitsangana i Tsimandrava,
Vonona handrani-tava,
Ka hay teo Ambohijatovo
Dia latsaka tao am-bovo.

Tsy ho adino ao am-pon’ny maro,
Izaho koa eto mahatsiaro,
Fa nisy hono lehilahy
Nijoro ka tena sahy !

« Nandroso ny môtô,
Nihemotra i 4L
Nitifitra i Zimbô
Ka maty Ra-Colonel ».

DadaRabe
11/02/13 15 :49

 

NB = Mpanjana-tany amin’ny endriny vaovao no resahina.

I KOTO SY I KETAKA (Adiadin’ny mpifankatia)

Nampidirin'i dadarabe | 10 Feb, 2013

I KOTO SY I KETAKA (Adiadin’ny mpifankatia)

Avia indry ry Ketaka f’izaho ange be vola !
- Avy taiza indray ? Nalaina tamin’i Mbola ?
Tsy vola nangalarina fa latsaka tsy nahy,
Izy no adala nanary, tsy mahay !

Avia indry ry Ketaka f’izaho nahazo fiara !
- Io indray i Koto fa mandika ‘zay voarara !
- Zavatr’olona io ! Nahoana no nalaina ?
- Vidin’asan’olona ka tonga dia gejaina ?

Avia indry ry Ketaka f’ izaho no tena rôla !
Izaho tsy nilalao dia tompon-daka tam’baolina,
Voadaka ny arbitra, naratra ireo zoera,
Ireo izay nihazakazaka natosiko nianjera !

- Aoka re ry Koto ! Ianao ve lasa adala e ?
- Manao barofo foana, minia tsy mahalala !
- Mba misy anie ny rariny, mba saino kely monja !
Mangina indry ry Ketaka sao hiditra any am-ponja !

Tsarovy izao ry Ketaka ary aleteho an-tsaina !
Ny ahy mirevy foana, mitraina sy midaina !
Mandihy dia milalao …Tafita foana aho !
Na iza anie tsy ho faly, izay tiako no atao !

Izaho tsy miraharaha ! Izaho no sefo be !
Raha te handeha i tena, dia betsaka no te…
- Tandremo ihany ry Koto, ny ratsy mitampody !
- Fa misy Zanahary, misy tsiny, misy tody !

DadaRabe
10/02/13  17 :35

I KOTO SY I KETAKA (Tao an-tsekoly)

Nampidirin'i dadarabe | 8 Feb, 2013

I KOTO SY I KETAKA (Tao an-tsekoly)

- Haninona ry Koto ianao rehefa lehibe ?
Prezidà no ataoko, be vola io ramosé !
- Ary ianao ry Ketaka, mba inona no ho atao ?
Ho vadin-draprezy no tena tiako izao !

- Dia nona no atao mba ho prezidà ?
Manongam-panjakana ampian’i komandà !
- Avy iza re ny vola hanaovana an’izany ?
Avy any "bla bla” sy gasy be vinany !

- Dia politika ahoana no tianao hatao ?
Ilay mangorom-bola dia manana birao !
- Dia inona ary re no asa fandaharana ?
Manondrana hazoala f’izay no famokarana !

- Aiza ianao no hanondrana, moa azonao ambara ?
Any an-dafy ihany fa any be dolara !
- Dia inona no soritra sy tetika fitaratra ?
Mampirevy hatrany ! Ny ankizy tsisy mianatra !

- Dia ahoana ireo vahoaka tarihinao ry Koto ?
Omena revin-gadra na ny hendry na ny boto !
- Raha misy tetika hafa, lazao anay anie !
Mi-dance daholo ny kely sy lehibe !

- Ary ny an’i Ketaka lazao ny sitrakao ?
Mampiaraka am’i Koto, miankanjo vaovao !
- Dia inon’avy koa ‘reo hitanao fa mety ?
Volamena maro dia fiara be mirenty !

- ‘Ndeha mianatra ry Koto fa aza be hanihany !
Tsia ! tsy izany fa “revirevy” hatrany !
- ‘Ndeha mianatra ry Ketaka raha mba te ho tafita !
Tsia ! tsy izany f’aleo mamboatra bika !

DadaRabe
27/01/13

ZARAKO AZA IANAO !

Nampidirin'i dadarabe | 8 Jan, 2013

ZARAKO AZA IANAO !

Zarako aza ianao miteny mafy ahy,
Manindrona fanahy,
Tsy mila tambitamby fa mila kisa koa…
Kanefa avy eo tso-po !

Zarako aza ianao masiaka vao maraina,
Mahaketraka ny saina,
Tsy misy andraso andraso, tsy mifidy teny…
Kanefa avy eo malemy !

Zarako aza ianao midongy tolakandro,
Mahamatroka ny andro,
Ka hila hahatorovana sy hampihidy vazana…
Kanefa avy eo fitiavana !

Zarako aza ianao manao ohatran’izany
« Raha » vetivety ihany…
Toy izay hoe mody tsotra sy tena mahay miangoly…
Kanefa avy eo devoly !

DadaRabe

PASKA FAMONJENA !

Nampidirin'i dadarabe | 24 Apr, 2011

PASKA FAMONJENA !

Hira avy amin’ny fo no atolotro ho anao
Izao Paska izao !
Andro famonjena nomen’i Jesoa Tompo,
Fitiavany inoako !
Dia hira fifaliana fa olom-boavonjy,
Noho ilay zanak’ondry !

Kalo tsara indrindra no ho zaraiko eto,
Ary dia omeko…
Noho ilay Jesoa voahombo novonoina,
Mba hisolo voina !
Fa Izy no mpamonjy antsika tsy ho very,
Fitiavany mahery !

Tononkalo iray no hifampizarana,
Handrava fangejana !
Fa ny ota mahamay namatotra antsika
No tapaka, nipiaka !
Dia horedonintsika ilay hiran’ny hosana !
Jesoa no Fiderana !

DadaRabe
18/04/11   21:24

 

1 2 3 ... 26 27 28  Manaraka»