Ô RY ZENEVIEVY !

Nampidirin'i dadarabe | 11 Feb, 2011


Oay ! Mijery ny endrikao aho dia lasa revirevy,
Ô ry Zenevievy !
Sy ireo takolakao bolangina aok’izany
Ka te hanongo hatrany !
Ireto masonao manganohano soa,
Manintona tokoa !

‘Ndeha ho aiza ity ianao no maika tahak’izao ?
Sa mbola hilalao ?
Tsy aleo mitodi-doha ? Mamonjy ny ao an-trano ?
Fa ndrao mahita angano !
Fa tato ho ato anie, korontana ny tany,
Jiolahy no betsaka any !

Oadray re Zenevievy ! Aza dia mafy loha !
Sy manamafy fo !
Ny ray aman-dreninao efa hila ho lasa adala !
Ianao tsy te hahalala !
Fa dia midola ihany, manaram-po miliba
Sy tia manivaiva !

Mitazana anao eto aho ry Zenevievy !
Dia tapaka ny revy !
Fa te hiteny be, manahy ny ho avinao !
Variana loatra ianao !
Ka indro aho very dia sy toa mitebiteby !
Miovà ry Zenevievy !

DadaRabe



Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article