TRATRY NY TAONA DAHOLO (15/01/08)

Nampidirin'i dadarabe | 15 Jan, 2008

Miarahaba,

Dia miarahaba antsika mianakavy tratry izao taona vaovao izao na dia tara kely aza. Ho taona ampoky ny soa ho antsika anie ity taona ity !

Izao moa vao afaka manoratra indray fa nivadibadika tany Madagasikara iray volana sy tapany izay. Nahafinaritra ny fandalovana tany ary nahafaha-nahita zava-maro. Indrindra ny fianakaviana izay tsy hita matetika.

Andro fety moa iny volana desambra iny ka dia somebiseby daholo izao tontolo izao. Teo koa ny fifidianana ben'ny tanàna (efa be no niresaka). Be ihany koa ny azo lazaina fa aleo ho zokin'ny atsy aoriana.

Ny tena nisongadina tamin'ny fiainako manokana dia ny nahavoaray ahy hampianatra ao amin'ny faculté de médecine n'i Mahajanga. Voaray "Enseignant chercheur, maître de conférences des universités" ny tenako. (Isaorako ny Avo indrindra). Ny taranja "psychiatrie d'enfants et d'adolescents" (pédopsychiatrie) no ampianariko ao.

Izay no vaovao fa dia manoratra eto ihany fa mivangongo eto ny asa.

Samia ho tahian'Andriamanitra daholo.

DadaRabe
15/01/08