TONONKALO TENY AM-PANDEHANANA TENY (12/01/07)

Nampidirin'i dadarabe | 19 Jan, 2008

Ny avy any Madagasikara mankaty St Pierre (et Miquelon) dia lavi-dalana. Niala tany Dago Alakamisy maraina aho dia voatery nijanona zoma tao Paris. Dia nandalo Montréal, dia niandry avion ora vitsivitsy tao (Montréal-Trudeau). Ny sabotsy alina vao tonga taty (hatsiaka mamirifiry). Dia lasa ny tononkalo....

IANAO EFA NIAMPITA

Ianao efa niampita…
Izaho mbola variana sy revo mitanisa
‘Reo androm-boninkazo,
Namelana omaly, nataoko tsy halazo !

Ianao misidina  any,
Milanto nofinofy, mamorona vinany,
Maraina vaovao
Sy taratra mitsilo ilay tontolonao.

Ny rahona manjombona,
Ny saiko mihorohoro sy efa tsy mahatombona,
Matahotra ny ampitso,
Manahy fa ndrao ho difotry ny ali-maizim-pito.

Mitodika aho mijery,
Tsy tazako ny lalana fa lasa mistery,
Manjavona tsy hita…
Eto aho mingonongonona ireny omalintsika…

…Ianao efa niampita.

DadaRabe
Paris -Roissy CDG
12/01/08  8:43


MIHAZAKAZAKA

Mihazakazaka eny ny andro sy ny volana,
Mifandimbindimby koa ny mety sy ny olana,
Dia lasa lasa foana…
Roso ny fotoana…
Ny tena anie variana
Miantsampy faniriana.

Tsy hitahita akory miova ny tontolo,
Dify ireny omaly, ny andro koa misolo,
Mazàna tsy maharaka
Sy tsy afa-miala sasatra,
Mivenjivenjy hatrany !
Mitetitety tany !

Dia misy ireny vokatra mitosaka jinjaina,
Misy ireo nafoy na dia nandrerak’aina.
Ny namana nandao
Sy namana vaovao
Indreny mifanjohy…
Ny fiainana mitohy !

Izany no ety, fa zanak’olombelona !
Tsy haharitra doria fa hira indray mihelina !
Mifaly ny androany…
Tsy arahina tomany,
Manangana izay vita !
Maniry tsy mba ritra !

DadaRabe
Montréal-Trudeau
12/01/08 15:15