NIANDRY ANAO…

Nampidirin'i dadarabe | 24 Jan, 2008


Teo an’aho ka teo niandry sy naniry…
Sy nanantena anao,
Ny masoko nibanjina, nitopy efa impiry,
Fa ho avy anie ianao !

Dia velon-kira irery !
Tsy sasatra nijery !

Ianao anie hoy aho naniry mafy koa
Ny mba hifamotoana,
Sady efa tsindrian-daona fa eto isika roa,
Mba afaka hihaona.

Kanefa aiza ihany ?
Ny saiko manontany.

Manomboka mihamaizina ny faravodilanitra,
Mangina ny tontolo,
Izaho irery sisa no eto miandry manitra,
Manjary mihorohoro.

Tsy tonga anefa ianao…
…Izaho niandry anao !

DadaRabe
Saint Pierre et Miquelon
24/01/08  16 :00