SOA FA MINO IANAO !

Nampidirin'i dadarabe | 5 Feb, 2008

Soa fa mino ianao…

…Fa misy ny fitiavana tsy lefin’ireo taona,
Tsy tototry ny atsanga ;
Tsy ravan’ireo mafy sy ny alina misaona
Na ny olana mitranga.

…Fa misy ny maraina ravaham-boninkazo,
Mitsiry, maro loko,
Ka na ririnina aza, tsy maina, tsy malazo,
Tsy miova, tsy miofo.

…Fa misy lohataona mamerovero fatratra
Sy rivotra madio,
Miangaly tsikitsiky sy lanitra tomaratra,
Tsy semban’ny tadio.

…Fa misy loharano miboika tsy ho ritra,
Manjary lasa ony ;
…Fa misy ny fitia tsy mety mangatsiaka,
Lelafo tsy mitony !

…Soa fa mino ianao !

DadaRabe
St Pierre et Miquelon
30/01/08