MANINA ANAO !

Nampidirin'i dadarabe | 30 Jan, 2008


Manina anao…

Dia eto manonofy ireny andro lasa…
Niarahana nidola,
Nitosy, nikotaba, nihira sy nikasa,
Niventy angolangola.

Ny lanitra fahiny toa manga aok’izany !
Dia rivotra madio…
Niritsoka, nitondra angano sy vinany,
…Nidify toa tadio !

Ianao ilay fitiavana, ianao ilay mazava,
Nitsilo ny haizim-pitoko,
Oh ! Volana baliaka, masoandro nampisava
Ny alina mikitroko.

Injao miraondraona ao anatiko ao
Ilay ako fahatsiarovana !
Kanefa tsy eo anilako fa lavitr’any ianao,
Ny foko anie torovana !

Dia nofinofy sisa ireny andro lasa,
Mangina ny ety !
Ianao tsy eo akory, ny foko toa maratra,
Tomany irery akia !

…Fa manina anao !

DadaRabe
Saint Pierre et Miquelon
30/01/08  10 :18