DOBODOBO-TAKARIVA !

Nampidirin'i dadarabe | 8 Feb, 2008


Dobodobo-takariva izany foko mihaotrahotra,
Eto an-tampon’ito havoana, lemilemy, vahobahotra !
Mibanjina eny lavitra… efa hila tsy ho hita,
Fa manjavonjavona eny ka tsy tazana avy am-pita.

Rivodrivotra masiaka no mitsoka am-poto-tsofiko,
O ! ririnina maditra mampangovitra ity hoditro...
Efa vakivaky, silatsilaky ny alina mangitsy,
Ranomandry rotsadrotsaka tampify, tsy an-kitsitsy !

Valabalaka ny saiko, horongorona ao an-doha,
Harivariva manaintaina, mampivadibadi-po !
Tapatapaka tsy antenany ilay hira tena tiako,
Dia nandosindositra any…vazo tola niangaliako !

Hetraketraky ny ankaso, misomonga zava-tsy hay,
Ketraketraka izany aiko, verivery dia…, manahy !
Mba nankaiza ho’aho reroy ilay tantely mamy teo ?
Dobodobo-takariva izany ny foko…Tena leo !

DadaRabe
St Pierre et Miquelon
08/02/08   22 :19