ILAY AMPITSO

Nampidirin'i dadarabe | 3 Mar, 2008


Manofy ilay ampitso mamerovero fatratra,
Manofy lendalenda, diavolana tomaratra,
Manofy taona zina sy fararanom-bokatra,
Manofy tojo tanjona, tafakatra ny tohatra,

Manofy fahasambarana, fotoana paradisa,
Manofy fisantarana ny mamy tsy hita isa,
Manofy lohataona ravaham-boninkazo,
Manofy andro miratra ventesim-bazovazo,

Manofy trano bongo mitohoka tantely,
Manofy tany lonaka manintona fijery,
Manofy hazavana mandresy haizim-pito,
Manofy, manantena fa mino ilay ampitso !

DadaRabe
La Charité  27/09/06   15:58