JEHOVAH ANDRIAMANITRO !

Nampidirin'i dadarabe | 19 Jol, 2007

Isaorako anie ny Anaranao mahery !
Jehovah avo indrindra !
Ianao no mitantana ary koa mijery…
…Ny fiainako mirindra. 

Ny sandrinao ry Avo no mahavonjy ahy,
Mitrotro izany aiko.
Ny foko izao matoky ary tsy manahy,
Finaritra ny saiko. 

Raha sendra alon-drano ety an-tany ety,
Ka hila koa ho lavo…
Ianao no famonjena mitarika ny dia
Ny foko ravoravo ! 

Isaorako izao ny Anaranao ry Ray !
Ry Tompo any an-danitra !
Ny foko omeko anao ho mandrakizay…
Jehovah Andriamanitro ! 

DadaRabe

Saint Pierre et Miquelon

25/06/07   21:54