NY ANARANAO RY RAIKO

Nampidirin'i dadarabe | 19 Jol, 2007

Ny anaranao ry Raiko !
Kaloiko sy hiraiko,
Aloakako ato am-bava,
Vetsoiko lalandava. 

Ny anaranao mahery !
Deraiko tsy an-tery,
Fa masina indrindra,
Ka tiako ahindrahindra. 

Ny anaranao ry Tompo !
Manafaka toloko,
Raha vizana ny aiko
Na kivy koa ny saiko. 

Ny anaranao ry Avo !
Hialofako raha lavo,
’Ty tenako malemy,
Miantso anao ombieny. 

Ny anaranao tsy foiko,
Raiketiko ato am-poko,
Fa izy no harena,
Sy hany fandresena. 

Ny anaranao ihany,
Antsoiko hatrany hatrany,
Fa hery hiantsampiako,
Inoako s’hitokiako. 

DadaRabe

Marseille (17/03/00)

 Nalaina tao amin'ny boky "Dia nisy ny mazava"