Nahoana no DadaRabe ?
Nampidirin'i dadarabe | 20 Aog, 2007Efa fito taona izao no nitondrako io pseudo io. Talohan’ny taona 2000 dia ny anarana “RABE Paoly” no nanoratako tononkalo. Efa ela ihany satria efa tena ela mihitsy aho no nanoratra. Mbola teny amin’ny “collège”. Efa ela izany an ! Efa tany amin’ny 25 taona lasa tany.
Tamin’ny taona 2000 angaha iny i Mialy RABE no nampiditra tononkaloko iray tao amin’ny serasera.org (Hery tsiky dia ampy). Ilay hoe “Raha lasa ianao” no nalefany. Avy eo aho nandefa ilay hoe “siligaoma roapolo”. Dia nanomboka nanoratra tao aho, dia tao amin’ny serasera.com (Rao) koa. Dia avy eo nanomboka nandefa an-gazety maro (Tribune, Lakroa, gazety hafa taty an-dafy). Radio toa an’i RTA (I Francis Turbo no mpamaky azy ao). Tao koa ireo site toa an’i mosikagasy (Malala), Haisoratra, Vetsotononkalo, Mahagaga Madagasikara (Olga Helisoa), Mialy RABE. Fony izahay tany Aix-Marseille dia nandray anjara tamin’ny hetsika kolo-tsaina maro izahay sy ireo namana (Hira, tononkalo).
Tamin’ireny “raharaha 2002” ireny dia nanoratra tononkalo maro aho. Mbola atambatro ho amboara iray ireny rehefa atsy aoriana kely.
Tamin’ny 2003 aho dia namoaka amboran-tononkalo mitondra ny lohan-teny hoe “Dia nisy ny mazava”. I Fanja Andriamanantena no nanao ny teny fanolorana. Nanonta boky 200 in-droa aho dia tsy nanonta intsony. Tantara hafa koa ny amin’iny !
Nanangana ny Havatsa UPEM Frantsa izahay taona vitsivitsy lasa izay. Maromaro ny namana mavitrika tao. Nahafinaritra !
Fahatsiarovana : Tamin’ny taona 2000 tany ho any dia vitsy dia vitsy ny mpandefa tononkalo amin’ny internety. Izaho sy ilay namana iray izay “Masvotok” (Nankaiza?) no mpiara-milalao tononkalo tamin’izany. Ankehitriny dia maro tokoa no manoratra ary tsara be daholo. Manala azy matetika ao amin’ny wanadoo koa ny tenako. Mankasitraka manokana ireny namana DFC. Tsy manadino akory i DadaRabe ! (fa miha-antitra fotsiny J )
Nahoana ary no DadaRabe ?
Nanazava tamin’ny zanako aho hoe : Hasina RABE no anarany. Hasina no fiantso azy, dia ny anaranay rehetra “RABE”. Izany hoy aho no fanao anarana. I dada izany hoy izy “Dada RABE”. Dia raikitra ! Tsy misy hifandraisany mihitsy amin’ny “dadarabe”. Izany indrindra no mahatonga ny fanoratana azy hoe “DadaRabe”. Tandremo !
Tsarà daholo é!
DadaRabe
Saint Pierre et Miquelon
Alatsinainy 20/08/07
Mihamahafantatra tsikelikely an'i DadaRabe izany ikalamako izao, sy ny "mpiserasera.org" koa angamba.
Nampidirin'i ikalamako 21 Aog 2007, 01:23Manjary fahazotoako mihitsy ny mijery matetika ny blaogy.com, hijery tononkalo vaovaon' DadaRabe. Averiko foana hoe misaotra fa manana ny tononkalonao tsara rindra, tsara rafitra izahay entinay (izaho aloha no tena hitako e, a hitako fa misimisy ihany ny toa ahy) mamarana ny andro amin'ny tononkalonao eto rehefa hisasaka ny alina, na dia manana fotoana ihany aza indraindray handalovana amin'ny antoandro. Izany mampitsiky ahy matetika, mampilaza fa efa nandalo aho izay nijery sao nisy poezia vaovao, fa indraindray tsiky dia ampy tokoa ; no comments.
Ilay DadaRabe dia efa nilaza tsy nanontaniana : tsy nisy nifandraisany tamin'i dadarabe mpanandro fa aza matahotra.
Misaotra, dia manantena ny maro mbola ho avy e, izaho tsinona tsy mba nahita sy nahalala izany taloha izany, fa "izaho moa vahiny vao tonga tamin'ny dimy e!"
Izaho koa aza rehefa mijery dia milaza hoe : "Nandalo Ikalamako". Hainao ve ilay tononkalon'i Dox hoe "mandalo eomatetika aho, dia manjary fahazarako
Nampidirin'i DadaRabe 21 Aog 2007, 02:46ny mahita anao mitazana eo am-baravarankely...."
Misaotra é!
Vao avy nampiditra sary maromaro tao amin'ny tahirin-tsary (St Pierre) aho.
Nampidirin'i dadarabe 21 Aog 2007, 05:12Manasa !
voky ny maso, misaotra!
Nampidirin'i ikalamako 21 Aog 2007, 11:03Misaotra nitsidika nynandroso nisakafo.
Nampidirin'i DadaRabe 21 Aog 2007, 13:12MAhaliana sy mahavalalanina ny mamaky ity nosoratanao, ry DadaRabe. Inoako fa samy mahatsapa tena eny an-tsefatsefany eny izay voakasik'io tantara fohy nataonao io, na ny voatonona mazava, na ny tsia. Mankasitraka hatrany ê!
Nampidirin'i Ryana 21 Aog 2007, 15:13Dia miandry ny tononkalo manaraka indray.
Ryana
Nisy olona nagataka zavatra taminao atsy ambadika atsy (voaloham-pitia) ry Ryana ka miandry valiny hono !
Nampidirin'i DadaRabe 21 Aog 2007, 16:26Efa novaliako, Tompoko.
Nampidirin'i Ryana 21 Aog 2007, 17:05FAnontaniana: ny ora aiza no tondroin'ny famatantaran'ora amin'iuty blaoginao ity Rabe?
Nampidirin'i Ryana 21 Aog 2007, 17:30Mba areheto kely ny jiro fa misy tsy mazava... araka ny hira
Ryana
Ora any Madagasikara.
Nampidirin'i DadaRabe 21 Aog 2007, 17:36Tsy marina angaha ny ora ?
hay ve moa ê... noheveriko fa ora amin'iyak nisy anao taloha!!!
Nampidirin'i Ryana 21 Aog 2007, 17:38Mbola mitaintaina be aho miandry ny valim-panadinana, Tompoko!
aza atao ela ê!
Ryana
Iyak ? tena aiza izany tompoko fa fanina mitataovovonana indray aho.
Nampidirin'i DadaRabe 21 Aog 2007, 18:00teny diso tsy mba kabary re Tompoko ô! "ilay" no tianay nosoratana fa efa matahotra be ny ihany dia nisafotofoto mbamin'ny tànana manoratra eto!
Nampidirin'i Ryana 21 Aog 2007, 18:44Ila toerana nisy anao taloha, izay re no saika nosoratana ê!
Azafady, Tompoko.
Ryana
Izaho izao nihevitra hoe mamazivazy ianao dia nilaza hoe "IRAK" :-)
Nampidirin'i DadaRabe 21 Aog 2007, 19:17Izaho izao ve dia ho sahy hamazivazy anao, Tompoko???
Nampidirin'i Ryana 21 Aog 2007, 20:16Ha ! ha ! ha ! saiky tapaka ny tsinaiko, tompoko !
Nampidirin'i DadaRabe 21 Aog 2007, 22:26Sia fa saika ihany fa tsy tena tanteraka... TSarà ê!
Nampidirin'i Ryana 22 Aog 2007, 13:00Ryana
Solon'ny teo ambony:
Nampidirin'i Ryana 22 Aog 2007, 13:13"Soa fa saika ihany fa tsy tanteraka".
Ialàna tsiny fa mandiso tsipelina foana ny tenanay.
Fangatahana: tsy azo alehibiazina ve, Tompoko, ny sakan'ny toerana azo anoratana? Kely dia kely mantsy ilay izy ka manahirana ny mamerina mamaky izay nosoratana, alohan'ny andefasana azy. Toa tarehintsoratra 5 ihany dia efa feno ny sakany, ary andalana 10 ny lavany... RAha mba mety amboarina, Tompoko, dia ho faly ny mpankafy ny asasoratrao.
MIsaotra mialoha.
Ryana
Izaho koa matetika tratran'io. Tsy miankina amiko izy io (na izaho no tsy mahay). Andraso hanontaniako an'i Hery.
Nampidirin'i DadaRabe 22 Aog 2007, 14:32Akory e,
Nampidirin'i Karako 24 Aog 2007, 21:11Efa nanontany tena ihany hoe avy amin'inona ilay DadaRabe. Voavaly eto ny fanontaniana na dia tsy nipetraka akory aza. Dia mankasitraka Dadarabe. Hoy ilay avy eto Québec (eto akaikaikinareo) :)