NY MASONAO MIJERY

Nampidirin'i dadarabe | 4 Sep, 2009


Ny masonao mijery,

Mifono mistery,
Ny tsiky kelinao,
Ao an-tsaiko ao…
Toa tsy mety handao, mamikitra aok’izany !
Taratra tsy miala, mirehitra tsy ho lany !

Ny masoko mijery,
Mitazana anjely,
Mitsiky lasa saina,
Madity sy malaina,
Mahita anao mandao, midify any ho any…
Taratra misinda, mamonjy ny akany !

DadaRabe
03/09/09