FINOANA, FANANTENANA, FITIAVANA

Nampidirin'i dadarabe | 13 Jol, 2007


FINOANA no hilazako anao fa ho avy ilay maraina,
Manantitrantitr'aho anio fa misy ny antenaina,
Na bitik'aza isika izao, na kely tsinontsinona,
Dia hiezaka hitraka fa nanao ny tsy nambinina,
Ka 'ndeha mba hiara-dia,
Hivonona satria,
Ho henjana ny tolona fa maro ireo tsy tia.  

FANANTENANA koa no hanoratako eto izao,
Na betsaka aza ny olana mpahazo ahy s'ianao,
Fanantenana ho'aho, satria antsika ny safidy,
Tsy maintsy hilaozantsika ny kapoaka feno ngidy ;
Ka hihombona isika,
Hivaza sy hihiaka,
Hitondra fahafahana, ny geja anie hipiaka.  

FITIAVANA no nanekena ny henjana sy mazana,
Nahatonga antsika hiari-pery ho an'ny tanindrazana,
Fitiavana atolotra ny dimby sy ny fara,
Fitiavana atolotr'ho an'i Madagasikara ;
Fitiavana manova,
Fitiavana tsy miova,
Ho an'ny tanintsika izay harena sy hany lova. 

Dadarabe

Marseille

23/07/00 17 :00