VILAM-BAVA !

Nampidirin'i dadarabe | 14 Mar, 2009




‘Ndeha hitady rariny sy koa mangarahara !
Inona no lalana ? Mangalatra pouvoir !
‘Ndeha isika hanohitra ny didin’olon-tokana !
Inona no lalana ? Mandroba sy mitokona !

‘Ndeha hitondra marina ny tena fahafahana !
Inona no atao ? Asivo fangalarana !
‘Ndeha isika hilaza ny marina an-gazety !
Inona no atao ? Darohy ireo izay tsy mety !

‘Ndeha hahindrahindra ilay demôsy kirasia !
Ahoana no atao ? Poteho ‘reo ‘zay tsy tia !
‘Ndeha mba hampandroso ny tanindrazantsika
Ahoana no atao ? Vonoy izay tsara bika !

Hoy ho hoe :

‘Ndeha manova fenitra fa tena vilam-bava !
Fa mila fifidianana vao miakatra pouvoir !

DadaRabe
12/02/09

DEMOKRASIA HAFAKELY

Nampidirin'i dadarabe | 3 Mar, 2009




Handrodana satria…
Mamy ery ny seza !
Ka lendalenda erỳ !
Fa may ny  te ho ngeza !

Handrodana hatrany !
Matsiro be ny saosy !
Hangarona vilany !
Hameno ny sakaosy !

Hianjera izay hianjera !
Ho rava izay ho rava !
Fa izy mila afera,
Fa izy mila drala !

Ampio aho rey vahoaka !
Fa mila tosi-tanana !
Vonjeo aho rey vahoaka !
Fa sao dia tapa-tanana !”

Handrodana aho vahoak’ô !”
………………………………
Kanefa hatram’izay,
Ny hany mba napoaka ?
…Tsy misy na dia iray !

DadaRabe

RIVO-PANDRAVA

Nampidirin'i dadarabe | 25 Feb, 2009




Raha ny fandrobana sy ny fandravana,
Mitondra dinamita, manapaka tetezana,
No lasa  ho filamatra, hitondra ny tanàna
Dia tena kivy aho fa sarim-pahaverezana,
Tantara efa naloa,
Nariana tany aloha
Kanefa dia izany
No hitantsika androany.
 (tohiny)

AZA AMPIJALIANA NY TENINTSIKA (DdRb)

Nampidirin'i dadarabe | 8 Apr, 2008

Miarahaba,

Ity misy lalàna vitsy momba ny teny malagasy nalefan'ny reniko ho ahy (Mme RABE Paule, mpampianatra malagasy) efa ho taona maromaro izay. (lavalava ihany an!) :

DdRb (tohiny)

Ny momba ny jenetikan’ny mponina ao Madagasikara :

Nampidirin'i dadarabe | 27 Feb, 2008

Ny antsasaky ny “lignées génétiques” n’ny mponina ao Madagasikara dia avy amin’ny olona tany Bornéo, izay mielanelana 7000km amin’i Madagasikara. Ny antsasany kosa dia avy any amin’ny mponina avy any Afrika atsinanana.

Ny nosy Madagasikara dia 400km mielanelana amin’i Afrika. Misy valim-pikarohana vaovao nivoaka tamin’ny “American Journal of Human Genetics”, nampiseho fa misy mampiavaka manokana ny mponin’I Madagasikara.

Vao voalohany izao no nahafahana namaritra mazava tsara ny fototry ny “lignées génétiques” n’ny mponina Malagasy, sy ny toerana tokony ho niaviany, ary azo heverina ho manakaiky ny marina hoy ny Dr Matthews Hurles ao amin’ny Wellcome Trust Sanger Institute.

Ireo mponina ireo dia fifangaroana 50/50 ny vondrom-pirazanana anankiroa. Tsara ny manambara fa ireo taranaka ireo dia nifangaro nandritra ny taonjato maro hatramin’ny fiatombohan’ny fisian’ny olona teo amin’io nosy io hoy izy. Ireo marika arkeolojika dia maneho fa vao haingana ny fisian’ny mponina tao amin’ny nosy : eo amin’ny 1500 taona.

 (tohiny)

1 2 3  Manaraka»