MALAGASY versus MAANYAN (Bornéo, Indonezia)

Nampidirin'i dadarabe | 15 Jol, 2009




Efa niresaka teto momba ny fiavian’ny malagasy aho
. Androany kosa dia hiresaka momba ireo voambolana maro itovizan’ny teny malagasy sy maanyan.


Raha hanao jery todika kely dia tany amin’ny taona 1600 tany ho any i Houtman (hollandais) [1] no nanomboka nahita ny fitovian’ny teny malagasy sy ny teny malais. I Dahl [2] kosa (Norvegiana) dia nanao fikarohana maro momba ny teny malagasy. Isan’izany ny fampitahana ny teny malagasy sy maanyan (1951). Taty aorina dia maro ireo nanao fikarohana momba izany.
Ireo maanyan ireo dia olona monina ao Bornéo (Indonezia) manamorona ny renirano Barito. Raha ny teny ao anatin’ny Aostroneziana dia io teny io no mifanakaiky indrindra amin’ny teny malagasy (Samy ao anatin'ny groupe Barito). 70.000 eo ho eo no isan-dry zareo. Tsy midika izany fa avy amin’ny Maanyan ny teny Malagasy. Midika fotsiny fa iray ny fiavian’izy ireo.

Indreto misy voambolana vitsivitsy entina mampitaha ny teny malagasy sy ny teny maanyan :

Malagasy > Maanyan

Aby, avy, Jiaby = Kahabi
Afero = A’peru
Aina = Aheng
Aiza, aia = Ha’ie
Ala = Alah
Alina = Kamalem
Ambina (miambina) = Amben (Miamben)
Anarana = Ngaran
Anatra = Anat
Andro = Andraw
Aritra = Aretr
Ary = Ari
Atody = Antelui
Aty (foie) = atey
Avo = Abu
Avy = Hawi
Azo (voaray) = Ayuh
Boto = Butuh (=zazalahy)
Dimy = Dime
Dinta, Linta = Linta
Efatra = Epat
Elatra = Elat
Enina = Enem
Etotra = Etut
Fady, faly (tabou) = Palih
Fafa = Papa
Faka = wakat
Falafa = Pa’lapa
Fandisa (Lisa, fanoto) = Lisan
Fanihy = Pa’niki
Fasika = karasik
Faty = Patei
Fe, Ranjo, tongotra = Pehe, Pe ae
Fidy, fily = Filih
Fify (takolaka) = Pipih
Firy = Pire
Fito = Pitu
Fo = liam-puhu
Foitra = Puhit
Folo = Pulu
Fototra = Putut
Foy (atody) = Puy
Foza = Puya
Halatra = ‘Alat
Hariva = Kariwe
Havanana, ankavanana = Kawa
Havia, ankavia = Kawi
Hazo, kakazo = kayo, kakaw
Hodi-kazo = Kudit kayu
Hoditra = Kudit
Hoho = Kuku
Holatra = Ulat
Homana = Kuman
Ianao, anao = hanu
Inona = inun
Iraka = Irak
Isa, iray = isa, erai
Ity, iry = iti, iru
Ivy (rora) = iwey
Iza, ia = Hie
Izaho, aho = Aku
Izy ireo, ireo = Here
Izy, azy = Ie, Hane
Kaikitra = Ngikit
Kiho = Siku, Hiku
Kosoka (mikosoka) = Gosok
L(om)ay (Milay, milomay, mihazakazaka) = Lu’mai(u)
Lafy = Lapeh
Lalana = lalan
Lamaka, tsihy = amak
Lanitra = Langit
Laona = Lehung
Laotra, Tasika (ranomasina) = laut, Tahik
Lava = Lawah
Lavenona = Walenun
Lavitra = Lawit
Lavo = Lawu
Lay = Layag
Lehilahy, lahy = Laki
Lela = Lela
Lo (vorika ?) = buruk
Loha = Ulu’
Lohalika = Ulu ale‘ep
Mafaitra, mafaika = Ma’pait
Mafy = Mapeh
Mahandro = N-andru
Maina = Maen
Mainty = Ma intem
Malalaka = Malapad
Mamo = Mahamoi
Mamono = manuh
Manasidina, manidina, somidina = Sumidin
Mandidy (manetika, mitetika) = Netik
Mandoa (loa) = nua
Mandry, matory = Mandre
Manify, matify = Ma’nipi, Ma’tipi
Manta = Manta
Maso = Mate
Masoandro = Mateandrau
Matavy = Matawe
Matoa, matoy (antitra) = matuah, matueh
Maty = Matey
Mavesatra = Mawe at
Menaka = Minik
Miaina (evoka) = mi-hewuk
Mianjera (lavo) = Lawu
Mihady, mangady = Ngadi
Mihodina, Mihodina (meloka), miholaka = Melok
Mil(om)ano = Langoi
Mitono, tono = Nutung
Mody, Moly = Muli
Moka = Namok
Nana = Nana
Nono = Nunu
Olona = Ulun
Ompa = Humpa
Orana = Uran
Orona = Urung
Rahona = Rakun
Rano = Ranu
Ratsy = ra’at
Ravina = rawen
Rehetra (tontolo) = katuluh
Rivotra = Riwut
Roa = Rueh
Rora = rura
Sivy = Su’ey
Tadiny (sofina) = Ta’lingae
Tady, Taly = Tadi
Tafy (akanjo) = Tape
Takotra = Tangkup
Tana (tazona) = Ta’an
Tanàna = Ta’nahan
Tanana = Tangan
Tandreny (mihaino, mandre) = Talene
Tandroka = Tanrok
Tany = Tane
Tao (manao) = Ta’hu
Taolana = Ta’ulang
Taona = Ta un
Tataka = Tatak
Tavy = Tawe
Tay = Tai
Tehina = Teken
Telo = Telo
Tenona = Tenun
Tetika = Tetek
Tevika = Tebek
Toetra (mitoetra) = Tuet
Tomany, tany = Tu’mangih, Tangih
Tombo = Tumbu
Tompo = Tumpu
Tondro, toro (manondro, manoro) = Tunru
Toto = Tutu
Tototra = Tutup
Tovo  = Tubu
Trano, levo = Lewu
Tsinay = Sana i
Tsioka (rivotra) = Ti’iup
Vahatra (faka) = Wakat
Valo = Balu
Vaovao, vao = Wa’u
Vatana = Watang
Vato = watu
Vava = wawa
Vehivavy, vavy = Wawei
Velona = Belum
Vintana = Wintan
Voa = wua
Voa-nio = Niyu
Vohitra (Tendrombohitra) = Bukit
Volana  (lune, mois) = wulan
Volo = wulu
Vony = wunge
Vorona = wurung
Votsy = Wusi
Vovo = wowo
Zato = Jatuh

[1] Houtman (Frederik de). 1570- 1613. Dictionnaire des langues malaise et malgache (Amsterdam, 1603, in-4.). 

[2] Dahl, Otto Chr., Malgache et Maanjan. Une comparaison linguistique, Oslo, Egede Instituttet, 1951,p.13-16.

[3] Pierre Simon, La langue des ancêtresNy Fitenin-dRazana, une périodisation du malgache de l'origine au XVème siècle. L’Harmattan, 2006, p. 48-53

wikipédia : Langue austronésiennes


42 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "MALAGASY versus MAANYAN (Bornéo, Indonezia)"

  1. Misy voambolana vitsivitsy, nefa lava ihany ka ialana tsiny, indoneziana (bahasa indonesia, bahasa malesia) ireto :

    Afo = Api
    Ambany = Bawah
    Antitra, matoa (ex : lahimatoa), matoy = tua
    Fana (hafanana) = Panas
    Fasika = Pasir
    Fify (takolaka) = Pipi
    Firaka = perak (argent)
    Fotsy = Putih
    Harana = karang
    Hazo = kayu
    Hetsy (100.000) = Keti
    Hihy = Gigi
    Hita, mahita = Lihat, Melihat kelihatan = visible)
    Hoditra = Kulit
    Horita (pieuvre) = gurit
    Izaho, aho = Aku
    Kintana = Bintang
    Lalana = Jalan
    Lalina = dalam
    Lamosina = lambosie (vieux javanais)
    Lanitra = Langit
    Lehilahy = laki-laki
    Lonaka, malemy = Lunak (tanah lunak = tany malemy)
    Mahandro (masaka) = Memasak
    Mainty = Hitam
    Mamaky (casser) = Memecah
    Mamaky (lire) = Membaca
    Mamoha = membuka
    Mamono = Membunuh
    Manantona (accrocher, pendre) = menggantung
    Manenona = Menenun
    Manjaitra = Menjahit
    Manondro = Menunjuk
    Masikiny (mahantra) = Miskin
    Matahotra (Tahotra) = Takut
    Mena = Merah
    Mihanika = Menaiki
    Misafidy = memilih
    Misosa (glisser, tarika) = Tarik
    Misotro, minona (fampinomana) = Minum
    Mitombo (tombo) = Tumbuh
    Molotra = Mulut
    Mpamboly = petani
    Nosy = Nusa
    Orana = Hujan
    Rà = Darah
    Rovitra (mandrovitra), Robaka ? = Robekan, robek (merobek)
    Sambo = Samvaw (vieux malais)
    Sisa = sisa
    Sisiny, ilany = Sisi
    Sofina = cuping
    Tady = Tali
    Tanana = Tangan
    Tanjona = tanjung
    Tanjona = tujuan
    Tantara = Tantra
    Taona = Tahun
    Telina, mitelina = Telen, menelan
    Toaka = Tuak
    Valahana = Belakang
    Vatu = batu
    Vesatra, mavesatra = Berat, memberat
    Voa (voankazo) = Buah
    Voanio = Niur
    Volana (mois, lune) = Bulan
    Volo = rambut
    Vorona = burung
    Zanaka = Anak

    Nampidirin'i DadaRabe 16 Jol 2009, 23:19
  2. Zay vao tena very tanteraka i Faha fa mihalasa lalina ilay resaka e !! :-).Mhafinaritra e,misaotra any lehilahytsyresy koa e!

    Nampidirin'i fahamarinana 17 Jol 2009, 15:15
  3. DadaRabe, Lehilahytsiresy,
    Misaotra mijara ny fahaizanareo :-).

    Nampidirin'i Tritriva 17 Jol 2009, 15:40
  4. Fahamarinana> Mba mamadika atidoha eto fa mihasarotra ny fiainana é!

    Nampidirin'i DadaRabe 17 Jol 2009, 15:41
  5. Niaraka nanoratra mihitsy isika teo ry Tritriva. :-)

    Nampidirin'i DadaRabe 17 Jol 2009, 15:42
  6. Mankasitraka e. Rehefa dinihina ireo rehetra ireo dia hita fa betsaka voatahiry ihany ireo fitenin'ireo razam-be izay nahavatra niampita ranomasina niankandrefana fahiny elabe, eny fa na dia tsy nampiasa firaiketana an-tsoratra aza tamin'izany fotoana izany.

    Nampidirin'i lehilahytsyresy 17 Jol 2009, 19:53
  7. Marina mihitsy izany ry Lehilahytsiresy. Na dia adino tsy nisy tadidy aza ny tany antsinanan-driaka, ary na tsy nisy soratra na lovantsofina akory aza mba tavela dia tsy verintsika ny lova avy any am-pita lavitra any dia ny rà mikoriana ao anatintsika (DNA), ny fiteny tsy very na nifandimby aza ny taonjato maro, eny taonarivo aza. Eo koa ny fombafomba sy ny riba iainantsika milaza fa tsy very akory ny tadidy fa misoratra ao anatintsika, miteny ao am-bavantsika, miseho eny amin'ny manodidina antsika (tanimbary, trano, zava-maneno, sns).

    Nampidirin'i DadaRabe 17 Jol 2009, 20:04
  8. ARy ilay teny nogasiana hoe : "qui m'a menti " ry Ddrb ? :))

    Nampidirin'i Kdaombaramita 18 Jol 2009, 07:25
  9. Letia ! saika tsy azoko ry kdaombaramita ! :)
    Andraso hanontaniana an'i Lehilahitsiresy aloha. Omena ano ny fitenenana ry LehylahyTsyResy

    Havanana amin'ny tenim-pirenena mantsy ny namantsika io. Hatrany an-tsekoly izany an ! Izahay mitanatana vava fotsiny tamin'izany (ka hatramin'izao :-)

    Nampidirin'i DadaRabe 18 Jol 2009, 13:23
  10. kdaombaramita & DdRb > Ah, ah, ah, ... ny momba an'io dia aleo hanontaniantsika an'i Francis Turbo angamba e. Izy mantsy no namorona an'ilay hoe: "Le veau qui traîne [la charrue]". :-)

    Nampidirin'i lehilahytsyresy 18 Jol 2009, 14:26
  11. Ok ! Dia hanontaniantsika azy indray izany koh ! ;-)

    Nampidirin'i DadaRabe 18 Jol 2009, 14:59
  12. Mahafinaritra ilay fanadihadiana. Ilaina tokoa ny mahalala ny tantara, isan'izany ny tantaran'ny teny. Mankasitraka an'i dadaRabe syLhltsresy.

    Nampidirin'i Tokinao 21 Jol 2009, 16:28
  13. Elaela indray izany ry Tokinao.
    Raha misy hevitra hafa ento fa miandry é

    Nampidirin'i DadaRabe 21 Jol 2009, 16:53
  14. Austronesian Migration and the Establishment of the Malagasy Civilization: Contrasted Readings in Linguistics, Archaeology, Genetics and Cultural Anthropology

    Claude Allibert
    INALCO, Paris

    This article reviews and contrasts research findings in a variety of disciplines seeking corroboration for theories of settlement in Madagascar. Evidence is considered from the fields of linguistics, archaeology (studies of pottery), cultural anthropology and genetic analysis, leading to conclusions broadly supporting the thesis of Austronesian migrations directly to Madagascar from Kalimantan and Sulawesi around the 5th and 7th centuries CE, which combined with a Bantu group originating from the region of Mozambique. The article nevertheless warns against attributing too much to individual discipline studies, concluding that only genetic analysis can provide conclusive proof, and this only when informed by prior anthropological and historical indicators.

    Diogenes, Vol. 55, No. 2, 7-16 (2008)

    Nampidirin'i Claude Allibert 21 Jol 2009, 19:44
  15. Ny momba an'io "genetic analysis" voalazanao io moa dia efa nanaovan'ingahy Hurles sy ireo mpiara-miasa aminy fikarohana, ary navoakany arak'izao manaraka izao: Hurles et al., American Journal of Human Genetics, 2005; 76(5): 894–901. Ny fikarohana nataony dia niompana indrindra tamin' ny fampitahana ny filaharan'ireo bases nucléotidiques ao amin' ny faritra iray ao anatin'ny DNA tao amin' ny chromosomes X, chromosomes Y ary mitochondries, izay nalaina tamina santionan'olona Malagasy niisa 327. Nampidirin'i lehilahytsyresy 22 Jol 2009, 12:56
  16. Lehilahytsyresy > ie , io mihitsy ilay fampitahana DNA. Jereo etsy ambony liens fiavian'ny malagasy
    Na ity : http://dadarabe.blaogy.com/post/588/4257

    Nampidirin'i DadaRabe 24 Jol 2009, 14:33
  17. Tovona :
    - Me, mem (gasy : ma, mi)

    Tsiriteny sara-droa :
    Ke - fototeny - an

    Mpilaza anarana :

    pe - fototeny (gasy :mpi- fototeny)

    Nampidirin'i DadaRabe 04 Aog 2009, 14:42
  18. ohatra :

    - Bunuh --> Membunuh (mamono)
    - Jahit --> Menjahit (manjaitra)

    - lukis (loko) --> pelukis (mpandoko)
    - Tenun (tenona) --> penenun (mpanenona)

    - takut (tahotra) --> Ketakutan (fahatahorana)
    - Mati --> Kematian (fahafatesana)

    Nampidirin'i DadaRabe 04 Aog 2009, 14:59
  19. Misaotra an'iDadaRabe sy ireo izay fikarohana fa tena mahaliana be. Vao haingana dia nisy namana iray Filipina nampihainoako ny hiran'i Poopy dia hoy izy hoe teny Indoneziana angaha izany fa toa misy teny fantampantatro? Izaho mantsy tsy nilaza taminy mialoha hoe gasy io mihira io. Io namana io efa tany Indonezia. Manamafy izay fikarohana efa natao momba ny fihavian'ny Malagasy izany rehetra izany

    Nampidirin'i Nirilala 07 Aog 2009, 12:40
  20. Misaotra amin'ny filazana vaovao ry Nirilala à!
    Efa nijerijery ilay Tagalog (teny filipiana) aho fa lavidavitra kely ny teny gasy.

    Ny azy ny manisa izao dia :
    isang
    , Dalawa, tatlo, apat, lima, anim, pito, walo, siyam, sampu

    Ilazao vaovao foana é!

    Nampidirin'i DadaRabe 07 Aog 2009, 12:53