TAMBOLIN’NY FOTOANA

Nampidirin'i dadarabe | 16 Jan, 2009




Misy indraindray…vaka ny aty saina,
Hila tsy ho avy miana !
Fa entin’ny eritreritra manidina ambony,
Manjary tsy mitony…
Misankodinkodina ny omaly sy ny androany
Ary koa ny ampitso…dia mifangaro izany !

Moa ny fotoana no tena mihazakazaka ?
Sa tsy haiko ny manavaka
Ny lasa efa ela sy ny andro vao omaly ?
Fa hitako toa sary
Voarakitra hiray, mitambatra daholo…
Sary hoso-doko… iray…mitovy volo !

Ny saiko ve no jenjin’ny tambolin’ny fotoana ?
Asa re nahoana ?
Sa kosa velovelo mifongatra tsy nahy
Manaitra ny fanahy ?
Ka korontandrontana no sisa hitako eto
Korontan’ny fanahy arahin-tsentosento !

DadaRabe
14/12/08 


24 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "TAMBOLIN’NY FOTOANA"

  1. Tratry ny taona ianareo telo mianaka ao ô! dia mirary soa e!

    Misaotra hatrany amin'ny tononkalo fa mahafinaritra!

    Nampidirin'i Tokinao 05 Jan 2009, 20:57
  2. Misaotra amin'ny fisaorana ry Tokinao dia miarahaba tratry ny taona :-)

    Nampidirin'i DadaRabe 05 Jan 2009, 21:37
  3. Mirary soa ny mpitafatafa teto t@ taona 2008, ho taon-jina ombam-pahombiazana anie ity taona vaovao ity.

    Tsiky

    Nampidirin'i Tsiky 06 Jan 2009, 10:51
  4. Ho taona zinam-pahasoavana ho antsika anie ity taona ity ry Tsiky !

    Nampidirin'i DadaRabe 06 Jan 2009, 11:37
«Mialoha   1 2