MISOKO MORAMORA (Tononkalon'i Piso)
Nampidirin'i dadarabe | 23 Aog, 2007
Misoko moramora,
Tsy re tsaika loatra,
Nifandimby teny ny ora,
Dia indro fa nitraotra.
Nitsiry ilay fitia,
Tsy hay tohaina intsony,
Namelana namony!
Tsy mampahita tory,
Mahalasa saina lava,
Ity fo toa te hitory,
Nefa miahotra ny vava.
Piso
21 Aog 2007
Tononkalo nangatahiko tamin'i Piso.
Nampidirin'i dadarabe 23 Aog 2007, 20:53Misaotra azy.
Misaotra anao koa !
Nampidirin'i piso 24 Aog 2007, 05:52Tsara!
Nampidirin'i Ryana 24 Aog 2007, 10:55Ryana
Vao maraina eto.
Nampidirin'i DadaRabe 24 Aog 2007, 11:55Mitohy ihany ny Kali ry zareo à
Ny "Kalo" fa tsy "kali" azafady
Nampidirin'i 6169 24 Aog 2007, 11:57:-D
raha mba afaka nitory fitia koa mantsy ny vehivavy. Indrisy.
Nampidirin'i lalaina 24 Aog 2007, 13:44Tsy afaka ve ry Lalaina ?
Nampidirin'i DadaRabe 24 Aog 2007, 13:56Efa bandy roa izay no nokotiako. Samy miseho ho tia be daholo rehefa jerena amin ny maso, ny iray nandritra ny 8 mois nifampijery, ny iray 4 mois, farany aho tys nahandry. ( regard amoureux io) fa nony nolazaiko azy ireo dia samy tsy nody fanina izy ireo : (
Nampidirin'i lalaina 24 Aog 2007, 20:27samy nody fanina mantsy e
Nampidirin'i lalaina 24 Aog 2007, 20:28Lalina indrayizany.
Nampidirin'i DadaRabe 25 Aog 2007, 00:32Amin'y fomba hafa angamba fa tsy direct loatra.
Sa ahoana ?
tsy nataoko direct mihitsy ilay izy fa eh bien, tsy hanintelony intsony na dia hoe jamasi deux sans trois aza.aleo marary fo mamisamisavisa eto toy izay afa baraka.
Nampidirin'i lalaina 25 Aog 2007, 09:32Misaotra an'i Ryana
Nampidirin'i piso 25 Aog 2007, 12:25Ie, misy fomba maro anie fampiasan'ny vehiva é! ny hiafarany dia toy ny hoe ilay bandy no mikôty. Izay no tena herin'ny vehivavy. Sa ahoana hoy ianao ?
Nampidirin'i DadaRabe 25 Aog 2007, 12:27Ary niara-nanoratra mihitsy isika ry Piso. :-)
Nampidirin'i DadaRabe 25 Aog 2007, 12:31fa saingy izao nanoratra fohy , fa ianao laavabe :-)
Nampidirin'i piso 25 Aog 2007, 13:04aza adino fa ny vehivahy anie ry DadaRbe taranak'i Eva e !
Nampidirin'i piso 25 Aog 2007, 13:06Eny é! Samy manana ny stratégie-ny anie ry Piso ny lehilahy sy ny vehivavy é!
Nampidirin'i DadaRabe 25 Aog 2007, 15:34Tsy adisoan'ny vehivavy mihitsy ny fomba ankolaka.
I Eva tao an-tsahan'i Edena koa anie tsy dia hoe ratsy fanahy é! mba nihevitra izay hitany fa mety izy. Sa ahoana ?
Marina aloha 'zany e!
Nampidirin'i piso 25 Aog 2007, 16:59Tsy hoe ratsy fanahy ange Eva fa diso tia andrakandrana loatra e!
Ohatran-tsika rehetra é!
Nampidirin'i DadaRabe 25 Aog 2007, 19:11Raha tsy nanandrana ilay paoma aza anie i Eva dia ho nisy foana, na i Adama, na ny zanany, na ny taranany nanadrana ilay paoma é!
:-)
Nampidirin'i ikalamako 27 Aog 2007, 22:26