TSAROVY !

Nampidirin'i dadarabe | 6 Sep, 2009

Raha hitanao indray mihiratra ny andro,
Mazava ny masoandro,
Tsarovy ireo maraina…
Niarahana niria, nahamirana ny saina.

Raha tsinjonao ny hariva miritsoka mangina,
Tsioka mahasondrina,
Tsarovy ireny kalo…
Niarahana nihira, nivetso dia nandalo.

Raha tazanao ny volana, misosa eny ambony
Dia dify tsy hita intsony,
Tsarovy fa any ho any…
Izaho koa mahatsiaro…tantaratsika izany !

DadaRabe
06/09/09