TAPITRA

Nampidirin'i dadarabe | 1 Nov, 2008


TAPITRA


Tapitra na tiana hitohy ireny hira
Sy angano sy arira,
Tapitra sy dify toa volam-pararano...
Mangina ny ato an-trano.

Tapitra ny antsa sy ireny nofinofy,
Natsatso sy niofo,
Tapitra ilay ainga namonto ny fanahy
Sy onja nampiray.

Tapitra ilay mamy natao ho eo an-taona...,
Nanjary zava-poana,
Tapitra satria izany no efa anjara,
...Lefy ilay tantara.

DadaRabe
La Charité
28/03/06