MILA FITIAVANA (eritreritra momba an’i Madagasikara)

Nampidirin'i dadarabe | 19 Feb, 2008


    Miarahaba,

    Tsy ho lava resaka aho fa ny eritreritra manitikitika ny saiko no ambarako. Matetika aho rehefa miresaka aminareo namana, na mifanatrika , na an-telefaonina, na amin’ny internety ka miady hevitra momba ity Madagasikarantsika ity, dia maro ny lohahevitra tonga ao an-tsaiko. Ny tiako ho asongadina manokana satria izay no hitako lehibe indrindra dia ity ambarako manaraka ity.

    « Na inona na inona ataontsika, na inona na inona tanjona heverintsika ho an’i Madagasikara, raha tsy misy ny FITIAVANA NY TANINDRAZANTSIKA dia zava-poana, eny, zava-poana ihany izany ».

    Raha ny mpitondra, ny mpanohitra, ny vahoaka no miasa noho ny fitiavana tanindrazana fa tsy noho ny fitiavan-tena dia izay no fiandohan’ny fandrosoana.

    MILA FITIAVANA  na ny resaka, na ny ady hevitra, na ny asa, na ny ezaka sy izay rehetra ataontsika ho an’ny tanindrazantsika. Vetivety foana dia ho very ilay tanjona raha toa ka miala ao am-pontsika ilay fitiavana.

    …Dia ilay fitiavana mirehitra ao anatintsika lalina toy ny afo sy fanilo manazava ny lalantsika ;
    …Dia ilay fitiavana mampidoboka ny fontsika ka mahatonga antsika hiroso am-piravoana ho amin’ny asan-tanindrazana ;
    …Dia ilay fitiavana mandresy ny fitiavan-tena ka hahafahantsika mahafoy ny fiainantsika, eny hatramin’ny aintsika aza raha ilaina ho an’i Madagasikara.

    Tsy hifanerena ny fitiavana fa vokatry ny fo !

    « Trafo-kena ome-mahery, am-bava homana, am-po mieritra ! ».

    DadaRabe
    19/02/08


25 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "MILA FITIAVANA (eritreritra momba an’i Madagasikara)"

  1. Misaotra ani Tsikisariaka. Tsy maintsy atambatra ny hery. Ny mitabe hono tsy lanin'ny mamba. Dia tsy ho lanin'ny mamba isika ary tsy hisy hanao ampihi-mamba intsony ny fandrosoana fa ho antsika rehetra.

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 26 Feb 2008, 15:18
  2. izay indrindra DdRb a !

    Nampidirin'i tsikisariaka 03 Mar 2008, 14:13
  3. :-)

    Nampidirin'i DadaRabe 03 Mar 2008, 16:15
  4. Manao resaka retour aho fa izao vao nahita ity lahatsoratra ity.
    Ny ahy ny tena tsy laitran'ny vavoniko dia ilay mamaky ny sujet-n'ny malagasy sasany ao @ forum moov.mg milaza hoe ny malagasy tsy mipetraka any Madagasikara dia tsy tia tanindrazana! Mba hafahafa mihitsy!

    Nampidirin'i Lalasoa 19 Mar 2008, 20:18
  5. Lalasoa> Ny fitiavana tanindrazana tsy miankina amin'ny toerana misy anao mihitsy. Samy manana ny lalan'ny fiainana arahiny. Indraindray aza afaka manasoa kokoa ianao aty lavitra noho ny eo akaiky.

    Samy manana ny fiainany é

    Nampidirin'i DadaRabe 19 Mar 2008, 20:46
«Mialoha   1 2