VAZAHA BOBO

Nampidirin'i dadarabe | 22 Nov, 2007


Tao Betongolo
Indray hariva izay,
Nisy vazaha bobo…
Nampivanaka ahy.

Tsy izy bobo akory,
No tena hafakely,
Fa ny olona nivory,
Nazoto be nijery.

Fa inona ary izao ?
No dia manaitr’ery !
F’angaha io kilalao ?
No hitangoronan-dry ?

Dia nanontany aho
Fa ts’hitako ny marina,
Mba inon’izy izao ?
Moa azo mba fantarina ?

Dray ! dray ! haf’ity !
Tena zendan’aho !
Hatram’izaho tety…
Vaovao ‘ty ka vaovao !

Tsy izy bobo kay !
No nahalasa saina…
Fa loz’ity ry lahy !
…Tsy sahiko lazaina !!!

DadaRabe
Marseille
19/07/02 23 :32


42 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "VAZAHA BOBO"

  1. Ny marina rehetra ve ?
    Tsy voatery ho fantarina daholo !

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 22 Nov 2007, 00:09
  2. inona ary ity omekotsyomeko ity ! tsssss :( Nampidirin'i ikalamako 22 Nov 2007, 00:35
  3. Mba hafakely indray ilay votoaton'ny tonon-kalonao tamin'ity indray mitoraka ity.

    Nampidirin'i Su 22 Nov 2007, 07:53
  4. votoatiny no tiako lazaina fa tsy votoatony.

    Nampidirin'i Su 22 Nov 2007, 07:54
  5. Marina izany ! Saika hanontany aho.. f'aleo hajaina fotsiny ny hoé ... ny marina rehetra tsy fitantanra avokoa... satria afaka mandinika izay voalaza ianao dia mety hahavaly ny fanontanianao ihany.
    Mazàna anefa raha zavatra eritreretinao ho tsotra indrindra toa sarotra ho an'ny hafa. Ny fahaizana maminavinana an'izay no sarotra eo amin'ny fifanakalozana, miampy ny fahafantaranao tsara izay miresaka aminao, avy eo fantatrao eny ihany ny azo ambara sy ny tsy azo.

    Nampidirin'i Pone 22 Nov 2007, 11:34
  6. Avadikaim-pito ny lela hoy isika gasy.

    Eny main'ny fiainana eny dia maro tokoa ny tsy fambara, ny tsy fihaino, ny tsy fahita....

    Asa anefa !

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 22 Nov 2007, 12:18
  7. Aoka re ry Ikalamako !

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 22 Nov 2007, 15:48
  8. faly miarahaba ny rehetra indray ny tenako, eto ihany fa tsy mandeha lavitra akory, eo amin'ilay fanontaniana napetrakao anie ry DdRb no mety tsy nety ny nametrahanao azy zay tsy nazahoanao ny valiny, zahay anefa mba liana te hafantatra, mahafinaritra e

    Nampidirin'i Malala 22 Nov 2007, 15:58
  9. Hi hi hi, inona ary izy izany ry DadaRabe ! Efa lava sahady ny lisitry ny mety ho valiny ao an-tsaina amin'ny fandrindranao azy marina !

    Mazotoa hatrany !!!

    Nampidirin'i pissoa 22 Nov 2007, 16:33
  10. Pissoa !

    Misy miteny aminao hoe:

    - Ilay mahia miankin-drindrina.
    - Sahafa
    - Inona ary izany ?

    Inona ary ny valiny ?

    "ankamantatra" ;-p

    Nampidirin'i DadaRabe 22 Nov 2007, 16:40
  11. Hay ve tao i Malala é! elaela izany !

    Ilay izy anie "manontany tena" ry malala é ! (fa inona ary izao.... ?)

    Nampidirin'i DadaRabe 22 Nov 2007, 16:43
  12. afa-po hoy aho malain-kikaroka fa aza miteniteny indray sao tsy filaza imasom-bahoaka

    Nampidirin'i Tsikisariaka 22 Nov 2007, 20:19
  13. Ahoana izany ry Tsikisariaka ?
    :-)

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 22 Nov 2007, 20:40
  14. valin'ny ankamatatra napetrakao raha tsy diso aho dia toa kofafa izy io
    inona ary zany ô tohiny
    miaramila zato anaty vata-paty?
    handao tokoa isika hilalao e
    mazoto daholo e

    Nampidirin'i Malala 23 Nov 2007, 08:20
  15. Afokasoka angamba izany ry Malala ô ! :-)

    andraso aloha aho hitady hafa

    Nampidirin'i DadaRabe 23 Nov 2007, 12:07
  16. dia ny tohin'io ry malala hoe : "izay iray mivoaka maty" (ilay miaramla anaty vata an)

    Nampidirin'i ikalamako 23 Nov 2007, 12:16
  17. manoa ahoana daholo ê! elaela tsy teto fa entin'ny fitadiavana dia tsy maintsy nandeha tany ho any.
    Hafa kely tokoa aloha ity tononkalonao ity ry DrRb, marina moa. Ny raharaha dia toa tsy hita be ny ihany ny haminavinàna ny farany... sa misy tohiny izy io?
    Ryana

    Nampidirin'i Ryana 23 Nov 2007, 14:56
  18. Miarahaba an'i Ryana !
    Io ilay tononkalo fa tsy misy "bis" kah ! :-)

    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 23 Nov 2007, 14:59
  19. Tsy mifankahazo izany resak'izany : Avadio ho "toko tapaka, vilany mitongilana, izay tsy mety arenina ary e !" Misy mahatadidy an'izany ve ????!!!! Misy inspiraka io DdRb a !

    Nampidirin'i Pone 23 Nov 2007, 19:12
  20. Ento ary Pone à !

    Nampidirin'i DadaRabe 23 Nov 2007, 21:20
1 2 3  Manaraka»