ASA SY FITIAVANA

Nampidirin'i dadarabe | 19 Jol, 2007

Fa raha tsy misy intsony hitia ny mahagasy,
Afa-ts'izaho sy ianao dia izy koa angamba?
Dia hihombona isika, fa tsy hilasilasy,
Hamerina indray, 'lay habakaba-manga. 

Dia hofongarintsika, 'reo very sy efa adino,
Nafenin'ireo lasa, ka zary taolambalo;
Hajorontsik'indray, ahatonga ny hafa hino,
Fa azontsika arodana, 'lay fefy mihalohalo. 

Fa raha lasa izy, k'izaho sy ianao no sisa,
Dia atambatsika ny hery, tsy hiondrik’hitomany,
Na koa hifendrofendro na jenjin'hitanisa,
'Reo ady mbola atrehina, na sarotr'aza izany. 

Mpirahalahy mianal'isika, k'ianao ataoko andry,
Izaho ho tokinao, hanivatsiva lalana,
Hifampahery fo, hanenjana ny sandry,
Raha toa ilain'izany, hanova ny lalàna. 

Fa raha tsotsori-mamba, ka lasa koa ianao,
Kivy sy efa ketraka fa toa voatevateva,
Ka leon'ny lazon'ady, matahotr'ady vao,
Dia matokia ry lahy! bedaiko ilay faneva. 

Fa ny asan-tanindrazana, tsy hiandrasana ny namana,
Ny asan-tanindrazana, tsy hiandrasana fananana,
Ny asan-tanindrazana, tsy an-tery na tambazana,
Fa ny asan-tanindrazana, dia "ASA SY FITIAVANA" 

DadaRabe
Marseille
22/02/00   16:30