MANORAN-TAKARIVA

Nampidirin'i dadarabe | 19 Jol, 2007

 

Manoran-takariva ny eto Marseille,

Dia herika madinika, mamongatra tsiahy,
Fofon-tany mando, mandefa ny vinany,
Ho eo anilanao, ilay any lavitr’any.

Injany ireo fanitso fa mitafa fahatsiarovana,
Dia andro efa ela sy fotoana nolalovana,
‘Reo andro mamintsika fony tao Iarivo,
Banga anie ny fiainak’ô ry lala ! mba tsahivo.

Ireo fa misy olon-droa mialok’etsy am-pita,
Mifampiampify miharitra ‘reo herika sy hatsiaka,
Dia lasa be ny saiko, mahatsiaro antsika roa,
An-taona maro mantsy ireny…. fiainana taloha.

Rivotra malefaka, mitsoka avy any atsimo,

Nifafy tao am-poko tia, izay tsy mba nanadino,
Fa mitambolimbolin’ao ‘reo embona tsy miala,

Mangotraka irery anie fa lavitra malala.

 

Manoran-takariva, ho’aho ny eto Marseille,

‘Reo ando sy vinany no mitampody indray,
Ka maso pitrapitra no mitazan’any ho any,
Mandefa any aminao ilay fitia tsy mety lany.

DadaRabe
Marseille
23/07/00  20 :30