HATRAMIN'NY NAHALALAKO ANAO...

Nampidirin'i dadarabe | 14 Jol, 2007


Hatramin’ny nahalalako anao…
 

Dia niova ny tontoloko, niova ny marainako ;
Niova ny fisainako, niova koa ny fiainako ;
Niova ny angolako s’ireny tambitambiko ;
Niova ny masoandro sy ny endriky ny lanitro ; 

Niova ihany koa ireo voahary nojereko ;
Niova ny lalàna sy ny didy izay nekeko ;
Niova anie ny lalana sy faritra nodiaviko ;
Niova koa ny kanto sy ny zavatra notiaviko ; 

Niova ny fahazarako s’ireny fombafombako ;
Niova ny fandrindrako ny asa izay natomboko ;
Niova ny fandahatro ny ora sy ny andro ;
Niova ny famantatro ny hariva sy ny atoandro ; 

Niova ny fijeriko ny manodidin’ahy ;
Niova ny fandiniky ny foko sy fanahy ;
Niova ny famaritro ny mety sy voarara ;
Niova ny fandraisako ny ratsy sy ny tsara ; 

Niova hatramin’ny fototry ny sorisorin-tsaiko ;
Niova ireo mamizana sy mankarary ny aiko ;
Niova ny tantarako s’izay rehetra amiko ;
Niova ny anjarako… ianao no lasa mamiko ! 

...Hatramin’ny nahalalako anao !
 

DadaRabe
Marseille
01/08/02  14 :40

8 Hevitra & 0 Verindrohy (trackback) amin\'ny "HATRAMIN'NY NAHALALAKO ANAO..."

  1. Mankasitraka ny ataonao lalandava dia
    miandry ny manaraka rehetra.

    Nampidirin'i Tiana 14 Jol 2007, 22:44
  2. Misaotra amin'ny fankasitrahana Tiana à! Ho avy tsikelikely eo ny manaraka satria misy efa ho 700 tonokalo ato anaty ordinateur-ko ato :-)

    Nampidirin'i DadaRabe 17 Jol 2007, 16:10
  3. izay vehivavy tsy ho babo amin izao aloha dia asa fotsiny! ;-)

    Nampidirin'i ravakamalala 20 Jol 2007, 00:07
  4. Misaotra an'i Ravakamalala

    Nampidirin'i DadaRabe 20 Jol 2007, 14:58
  5. Tadidiko ny nivoahan'ity tononkalo ity voalohany :-)

    Nampidirin'i Hery (serasera) 26 Jol 2007, 15:31
  6. Ie, efa elaela. Tao amin'ny serasera no namoahako azy voalohany. Tany Marseille aho tamin'izany.
    Misy tantarany angaha ilay izy ry Hery ? :-)
    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 26 Jol 2007, 17:53
  7. ny grave ange dia ity e ; hoy i Mahaleo hoe : "amin'ny voalohany ny fitia...".
    Dia miova daholo tokoa amin'ny voalazanao moa izany ry Dadarabe, saingy indrisy...miverina amin'ny laoniny indray avy eo. Asa aloha fa toa tahatahaka izay ilay lalàm-piainana koh !
    Mety ho diso aho ve ?

    Nampidirin'i ikalamako 27 Jol 2007, 14:35
  8. Amin'ny voalohany ny fitia dia oahatry ny mahafinaritra ery. Rehefa ela niarahana....
    Fomban-javatra daholo izany ry Ikalamako. Sa ahoana ?
    DdRb

    Nampidirin'i DadaRabe 27 Jol 2007, 15:08