RATSIMANDRAVA

Nampidirin'i dadarabe | 11 Feb, 2013

RATSIMANDRAVA

« Nandroso ny môtô,
Nihemotra i 4L
Nitifitra i Zimbô
Ka maty Ra-Colonel ».

Mbola kely izahay tam’izany,
Tsy nahalala ny eto an-tany,
Fa mihaino ireo olobe,
Nilaza sy nampandre :

Fa nisy hono lehilahy,
Niroso tsy niahiahy ,
Minisitry ny ala-olana,
Nikaroka vaha-olana.

Handrava mpanjana-tany,
Tsy hanaiky intsony izany,
Ka dia ny fokonolona
No fototra mba ho tolona.

Izy tsy niamboho adidy,
Fa roso ary nisafidy,
Ny lalana tena sarotra,
Tsy azo niadiana varotra.

Tsy zakan’ireo mpanjanaka,
Hoe izy hanasoa taranaka,
Fa ho azy ireo ny harena,
Dia azy ka tsy azo ekena !

Nitsangana i Tsimandrava,
Vonona handrani-tava,
Ka hay teo Ambohijatovo
Dia latsaka tao am-bovo.

Tsy ho adino ao am-pon’ny maro,
Izaho koa eto mahatsiaro,
Fa nisy hono lehilahy
Nijoro ka tena sahy !

« Nandroso ny môtô,
Nihemotra i 4L
Nitifitra i Zimbô
Ka maty Ra-Colonel ».

DadaRabe
11/02/13 15 :49

 

NB = Mpanjana-tany amin’ny endriny vaovao no resahina.

I KOTO SY I KETAKA (Tao an-tsekoly)

Nampidirin'i dadarabe | 8 Feb, 2013

I KOTO SY I KETAKA (Tao an-tsekoly)

- Haninona ry Koto ianao rehefa lehibe ?
Prezidà no ataoko, be vola io ramosé !
- Ary ianao ry Ketaka, mba inona no ho atao ?
Ho vadin-draprezy no tena tiako izao !

- Dia nona no atao mba ho prezidà ?
Manongam-panjakana ampian’i komandà !
- Avy iza re ny vola hanaovana an’izany ?
Avy any "bla bla” sy gasy be vinany !

- Dia politika ahoana no tianao hatao ?
Ilay mangorom-bola dia manana birao !
- Dia inona ary re no asa fandaharana ?
Manondrana hazoala f’izay no famokarana !

- Aiza ianao no hanondrana, moa azonao ambara ?
Any an-dafy ihany fa any be dolara !
- Dia inona no soritra sy tetika fitaratra ?
Mampirevy hatrany ! Ny ankizy tsisy mianatra !

- Dia ahoana ireo vahoaka tarihinao ry Koto ?
Omena revin-gadra na ny hendry na ny boto !
- Raha misy tetika hafa, lazao anay anie !
Mi-dance daholo ny kely sy lehibe !

- Ary ny an’i Ketaka lazao ny sitrakao ?
Mampiaraka am’i Koto, miankanjo vaovao !
- Dia inon’avy koa ‘reo hitanao fa mety ?
Volamena maro dia fiara be mirenty !

- ‘Ndeha mianatra ry Koto fa aza be hanihany !
Tsia ! tsy izany fa “revirevy” hatrany !
- ‘Ndeha mianatra ry Ketaka raha mba te ho tafita !
Tsia ! tsy izany f’aleo mamboatra bika !

DadaRabe
27/01/13

RY VOLANA !

Nampidirin'i dadarabe | 1 Mar, 2011

Ry volana mirehitra,
Mamiratra aok'izany !
Mazava sy manjelatra,
Mampiakatra vinany.

Rivo-dranomasina
Mitsoka miantsinanana,
Mifono zava-miafina
Sy nofinofy lalina !

Fa any lavitra any
'Reo havana sy namana,
Izaho an-tsesitany
Noho ny tsy fananana.

Ry volana baliaka
Na irery aza aho aty,
Mahita anao sariaka
Dia ravo...mankafy !

DadaRabe
16/02/11 21h30

 

TRATRY NY TAONA !

Nampidirin'i dadarabe | 1 Jan, 2011

 

Ny irariako ho anao
Dia taona vaovao…
D’ilay nandrasanao
Ho amin’ny fiainanao !

Ho taona fiovàna !
Ho taona fihatsàrana !
Ho feno fifaliana !
Ho tojo izay iriana !

Hidera ilay Mpahary !
Hikalo ny voahary !
Hiventy ny hosana !
Hihira fiderana !

Ho fahasalamana !
Ho tsiky sy hafanana !
Ho ambinina harena !
Hahazo izay kendrena !

Hitsinjo ireo mahantra !
Hizara ary hihantra !
Hamita asa soa !
Hitondra mamy koa !

Ny faniriko ho anao
Dia taona vaovao….
Ho tena fahasambarana !
Ho Taonan’ny « Fitiavana » !

DadaRabe
01/01/11        0 :01

NY MASONAO MIJERY

Nampidirin'i dadarabe | 4 Sep, 2009


Ny masonao mijery,

Mifono mistery,
Ny tsiky kelinao,
Ao an-tsaiko ao…
Toa tsy mety handao, mamikitra aok’izany !
Taratra tsy miala, mirehitra tsy ho lany !
 (tohiny)

1 2 3  Manaraka»